Tari-dalana Malagasy

  • Uploaded by: radina
  • 0
  • 0
  • February 2021
  • PDF

This document was uploaded by user and they confirmed that they have the permission to share it. If you are author or own the copyright of this book, please report to us by using this DMCA report form. Report DMCA


Overview

Download & View Tari-dalana Malagasy as PDF for free.

More details

  • Words: 13,922
  • Pages: 64
Loading documents preview...
SOMMAIRE RIBA........................................................................................................................................................3

« NY FANDROSOANA ».......................................................................................................................3 « NY FAHAFAHANA »..........................................................................................................................5 « NY TANINDRAZANA »......................................................................................................................6 NY LITERATIORA.....................................................................................................................................7 « NY LITERATIORA AM-BAVA »...........................................................................................................7 « NY LITERATIORA AN-TSORATRA »...................................................................................................9 « NY KANTO »...................................................................................................................................10 NY TANTARAN’NY LITERATIORA...........................................................................................................11 FITSIPIKA...............................................................................................................................................16 TOVANA................................................................................................................................................18 FITSIPIKA...........................................................................................................................................18 NY LITERATIORA ANKAPOBENY........................................................................................................22 NY LITERATIORA AM-BAVA...............................................................................................................22 LITERATIORA AN-TSORATRA.............................................................................................................26 NY KANTO.........................................................................................................................................28 NY TANTARAN’NY LITERATIORA.....................................................................................................31 LOHAHEVITRA : « NY FANDROSOANA »..........................................................................................37 LOHAHEVITRA: «  NY TANINDRAZANA »........................................................................................42 Fanambadiana aloha loatra (Mariage précoce)........................................................................46 Ny vohoka aloha loatra (Grossesse précoce)............................................................................50 Ny Serasera (Communication).....................................................................................................53 Fampakaran - teny / Angoty / Adisisika (plaidoyer)...................................................................57 Herisetra ara-nofo..........................................................................................................................60

RIBA « NY FANDROSOANA » Lohahevitra Lohateny Fahaiza-manao

: RIBA : NY FANDROSOANA (ora 2) : Tanora manana fahalalana momba ny fandrosoana hoentiny mampandroso ny tenany sy ny fireneny : Tanora mahay miatrika ny fandrosoana : Malagasy manaraka ny fandrosoana nefa mahay mitandro ny maha izy azy

Fahaiza-miaina Soatoavina  

TARIHIN-KEVITRA IAINGANA FAHALALANA AMPITAINA

SAHAN’ASA Azo atao ny (safidy) :

NY FANDROSOANA

SEHATRA ITARAFANA NY FANDROSOANA

-

Vakiteny,

-

Asan-tsokajy,

-

Famelabelaran-kevitra 

-

Fanadihadiana tarihina amin’ny alalan’ny fanontaniana

-

Adihevitra tarihin’ny mpampianatra izay arahina fandravonana

NY TANORA SY NY FANDROSOANA

- NY FANDROSOANA SY NY FIFANDRAISANA EO AMIN’NY FIARAHAMONINA

VONTOATIN’NY FAHALALANA AMPITAINA 

- Lahatsoratra 19 E.D ANDRIAMALALA in Ny Fanagasiana tak. 36 - 42 - Lahatsoratra 22 « Lozanareo » Asiniony in Akom-piainana , tak , 28 - Lahatsoratra 19 E.D. ANDRIAMALALA in Ny Fanagasiana tak. 36 - 42 - Lahatsoratra 20 Ho avy ny maraina, Esther RASOLOARIMALALA RANDRIAMAMONJY, tak . 137 –138 - Lahatsoratra 21 « Malagasy mankany …..» Randja ZANAMIHOATRA in Vainafo Tononkira, tak. 22 -23 - Fiche d’intégration SDSR : N° 1 (fanambadiana aloha loatra) N°2 (Vohoka aloha loatra) N°3 (Serasera sy adisisika) - Document de référence SDSR - Lahatsoratra 19 E.D. ANDRIAMALALA in Ny Fanagasiana tak. 36 - 42 - Lahatsoratra 20 Ho avy ny maraina, Esther RASOLOARIMALALA RANDRIAMAMONJY, tak . 137 –138 - Lahatsoratra 22 « Lozanareo » ASINIONY in Akom-piainana, tak. 28

NY FANDROSOANA Famaritana SEHATRA ITARAFANA NY FANDROSOANA : - Sehatra itarafana ny Fandrosoana  Lafiny fiaraha-monina  Lafiny toe-karena  Lafiny fanabeazana - Eo amin’ny isam-batan’olona sy ny fiaraha-monina NY TANORA SY NY FANDROSOANA : o o o

Ny toe-tsaina ilaina miatrika ny fandrosoana Ny vokatry ny fandraisana ny fandrosoana Ny andraikitry ny tanora manoloana ny fandrosoana

Ny fanambadiana aloha loatra - Famaritana araka ny lalàna - Ny antony mahatonga ny fanambadiana aloha loatra  - Ny voka-dratsy mety haterany eo amin’ny ankizivavy - Ny lalàna manan-kery mikasika ny  fanambadiana aloha loatra  - Ny hafatra fototra (message clé) Ny vohoka aloha loatra - Famaritana ankapobeny - Ny antony mahatonga ny Vohoka aloha loatra  - Ny voka-dratsy mety haterany eo amin’ny ankizivavy - Ny andraikitry ny tanora, ny RAR sy ny fiaraha-monina hiarovana ny vohoka aloha loatra  - Ny hafatra fototra (message clé) Ny serasera sy ny adisisika (communication et plaidoyer) - Famaritana - Ny tanjona - Ny teknika sy endrika isehoany - Ny hafatra fototra (message clé) NY FANDROSOANA SY NY FIFANDRAISANA EO AMIN’NY FIARAHA-MONINA o Rafitry ny fiaraha-monina :  Ny antanan-tohatra (zokiolona)  Ny rafitra misy ankehitriny o Zo sy adidy izay miteraka andraikitra o Fanajana ny rafitra ifampitondrana o Ny Malagasy manoloana ny fanatontoloana (TIC)

« NY FAHAFAHANA » Lohahevitra Lohateny

: RIBA : NY FAHAFAHANA

Fahaiza-manao

: Malagasy mahatsapa ny hasarobidin’ny fahafahana ka mahay mampiasa izany amin’ny sehapifandraisana rehetra : Tanora mahay mandanjalanja ny fihetsika amampitondran-tenany manoloana ny fahafahana : Olona afaka sady manaja ny fahafahan’ny hafa

Fahaiza-miaina Soatoavina FAHALALANA

SAHAN’ASA

- NY FAHAFAHANA - NY ENDRIKA ISEHOAN’NY FAHAFAHANA

- NY LANJAN’NY FAHAFAHANA

-

-

-

NY FETRAN’NY FAHAFAHANA

TARIHIN-KEVITRA IAINGANA Lahatsoratra 23: Andry Andraina , Mitaraina ny tany , fizarana fahefatra , tak.254-255 (tak.215 amin’ny boky taty aoriana ) Lahatsoratra 24: “Tsy ireo ihany “ Rado , Dinitra, tak. 111 , 1969

Lahatsoratra 26: “Valala” RADO in Zo, 14 Jolay Azo atao ny : 1982 Lahatsoratra 24: “Tsy ireo ihany” Asan-tsokajy Famelabelaran-kevitra Rado, Dinitra, tak. 111, 1969 Fanadohadiana tarihina Lahatsoratra 25:  “Fahafahana sy andraikitra”  amin’ny alalan’ny in Lakroan’i Madagasikara, fanontaniana 1988 Adi-hevitra tarihin’ny mpampianatra izay Lahatsoratra 26: arahina fandravonana “Valala “ RADO in Zo ( 14 Jolay 1982) Lahatsoratra 25: “ Fahafahana sy andraikitra “ in Lakroan’i Madagasikara , 1988 Fiche d’intégration SDSR : N° 4 (Fanararaotana ara-nofo) Document de reference SDSR

FAHALALANA AMPITAINA NY FAHAFAHANA : Famaritana NY ENDRIKA ISEHOAN’NY FAHAFAHANA o Sehatry ny maha-olona o Sehatry n y fiarahamonina

o Sehatry ny toe-karena NY LANJAN’NY FAHAFAHANA - Ny hasarobidiny - Ny anjara toerany - Ny vokany NY FETRAN’NY FAHAFAHANA - Araka izay voarafitry ny fitsipika sy ny lalàn’ny fiaraha-monina - Araka ny dina ifampifehezana’ny olona eo an-toerana - Herisetra ara-nofo  Famaritana  Ny endrika isehoany  Ny fiantraikany eo amin’ny fahasalamana  Ny hafatra fototra (message clé)

« NY TANINDRAZANA » Lohahevitra Lohateny Fahaiza-manao

   

: RIBA : NY TANINDRAZANA  : Mahatsapa ny lanja sy ny hasarobidin’ny tanindrazana : Mitia sy mikolokolo ary manandratra ny tanindrazana : Malagasy manandratra ny hasin’ny tanindrazana mba ho tonga olom-pirenena vanona

Fahaiza-miaina Soatoavina

FAHALALANA AMPITAINA

SAHAN’ASA

NY TANINDRAZANA

FEPETRA MAMARITRA NY « TANINDRAZANA »

IREO ENDRIKA ISEHOAN’NY FITIAVAN-TANINDRAZANA

Azo atao ny : Asan-tsokajy Famelabelaran-kevitra Fanadihadiana tarihina amin’ny alalan’ny fanontaniana - Ady hevitra tarihin’ny mpampianatra izay arahina fandravonana -

TARIHIN-KEVITRA IAINGANA Lahatsoratra 27 « Ny tanindrazana » Regis Rajems Raolison In Tononkalo sy lahatsoratra tak, 42, 43 Lahatsoratra 27 « Ny tanindrazana » Regis Rajems Raolison Lahatsoratra 28 « Ny tanindrazantsika » I.P.A  in Valiha tak , 55, 1990 Lahatsoratra 28 « Ny tanindrazantsika » I.P.A  in Valiha Lahatsoratra 29 « Ny tantara » Rado in Dinitra, tak, 119-120 Lahatsoratra 30 « Ny tany » Rakotohova Clet in Ny fiozofia, ny zo sy ny saranga, tak, 84-85

VONTOATIN’NY FAHALALANA AMPITAINA NY TANINDRAZANA - Ny famaritana FEPETRA MAMARITRA Ny « Tanindrazana » - Ny olona - Ny teny ampiasaina - Ny fasan-drazana - Ny tany navelan’ny razana - Ny sata sy ny fifandraisany IREO ENDRIKA ISEHOAN’NY FITIAVAN-TANINDRAZANA - Mamelo-maso ny tanindrazana - Manaja ny soatoavina ananany - Miara-misalahy amin’ny asa iombonana

NY LITERATIORA « NY LITERATIORA AM-BAVA »  Lohahevitra Lohateny Fahaiza-manao

   

: LITERATIORA : NY LITERATIORA AM-BAVA  : Manana fahalalana ankapobeny mikasika ny tontolon’ny literatiora malagasy talohan’ny nidiran’ny soratra : Mampiasa ny literatiora am-bava ho fitaovana mahomby hoentina miserasera : Manandratra ny haren-tsaina fonosin’ny literatiora am-bava

Fahaiza-miaina Soatoavina

TARIHIN-KEVITRA IAINGANA

FAHALALANA TOKONY HO AZO

SAHAN’ASA Azo atao ny :

NY SOVA

-

Fikarohana mialoha ataon’ny mpianatra,

-

Fanadihadiana tarihina amin’ny

NY TÔKATÔKA

alalan’ny fanontaniana ,

NY JIJY -

Ady hevitra

Lahatsoratra 1  : Sova 1  : « sova momba ny rano » Sova 2  : « Sova momba ny amboa » Lahatsoratra 2  : Tôkatôka 1: « tôkatôka betsimisaraka » Tôkatôka 2: « Tôkatôka betsimisaraka » Lahatsoratra 3: Jijy : « Jijy momba ny isa »

Lahatsoratra 4 : Sokela 1 : «  Sokela betsileo »

NY SOKELA

tarihin’ny mpampianatra izay Ny HAIN-TENY arahina

Sokela 2 : «  Sokela betsileo » Lahatsoratra 5: Hain-teny 1  : « Hain-teny merina »  Hain-teny 2 : «  Hain-teny merina”

fandravonana, - FamelabelaranVOTOATIN’NY FAHALALANA AMPITAINA NY SÔVA : Ny SÔVA dia lahabolana mirindra amin’ny fiteny tsimihety, betsimisaraka ahitana filazalazana toetoetran-javatra iray na fitantarana toe-javatra iray. Andraisan’ny olona rehetra anjara ny sôva, ka ny andaniny mpisôva ary ny ankilany mpihaino. Misy rafitra mazava arahina ny sôva. Ny TÔKATÔKA : Ny TÔKATÔKA dia lahabolana mirindra amin’ny fiteny betsimisaraka ahitana fingadon’ny poezia, tsy mifantoka amin’ny lohahevitra tokana fa mifangaroharo , filazana toe-toetranjavatra, fitanisana eritreritra sy fihetseham-po. Azo sokajiana ho roa mpandray anjara amin’izany dia ny mpitôka sy mpanara-bava na mpirombo. Ny JIJY : Ny JIJY dia lahabolana mirindra fahita any amin’ny faritra andrefan’ny Nosy amin’ny fiteny sakalava izay maneho fitanisana sy fanoritsoritana lohahevitra iray.

Ny SOKELA : Ny SOKELA dia hainteny fahita any amin’ny faritra afovoany atsimo amin’ny fiteny Betsileo izay ahitana lohahevitra malalaka. Ataon’olon-tokana na ifamaliana. Ao koa ny mamaritra azy ho kabary betsileo. Ny HAIN-TENY: Ny HAIN-TENY dia lahateny fahita amin’ny faritra afovoan-tany, amin’ny fiteny merina. Ampisehoana fahaiza-maneho hevitra amam-pihetseham-po amin’ny alalan’ny sarin-teny sy hevitra an-kolaka. Misy ny ataon’olon-tokana ary misy ifamalian’olon-droa (antso sy setriny).

« NY LITERATIORA AN-TSORATRA » Lohahevitra

: LITERATIORA

Lohateny Fahaiza-manao

: NY LITERATIORA AN-TSORATRA  : Manana fahalalana ankapobeny mikasika ny literatiora malagasy nanomboka tamin’ny nidiran’ny soratra latina : Mahay misintona ny hafatra avy amin’ny literatiora sy mampiasa izany hoenti-miaina : Manandratra ny haren-tsaina fonosin’ny literatiora am-tsoratra

Fahaiza-miaina Soatoavina

FAHALALANA

- NY LITERATIORA ANTSORATRA

SAHAN’ASA Azo atao ny : - Fanadihadiana tarihina amin’ny alalan’ny fanontaniana - Asa an-tsokajy - Ady hevitra tarihin’ny mpampianatra izay arahina fandravonana - Famelabelaran- kevitra -

Fikarohana lahatsoratra mifandray amin’ny lohahevitra ataon’ny mpianatra

TARIHIN-KEVITRA IAINGANA Lahatsoratra 6 : RAVELOJAONA , Mpanolo-tsaina  Lah 19, jolay 1908

Lahatsoratra 7 : « Ny akon’ny literatiora » Lila RATSIFANDRIHAMANANA in Rary Ranto , 1995 , tak. 139 - 140

Lahatsoratra 8 : Tononkalo : « Hanoratra » RADO in Zo , 30 Jolay 1983 , tak . 139 - 140

Lahatsoratra 9  : « Tokony hohajaina ny arofenitry ny kanto », RAHARIMALALA Rodalson Jenny, Aingam-panahy feon’ny saina in Gazety Taratra , 30 Janoary 2018

VONTOATIN’NY FAHALALANA AMPITAINA NY LITERATIORA AN-TSORATRA - Famaritana - Karazany sy firafiny - Anjara asany

« NY KANTO »  Lohahevitra Lohateny Fahaiza-manao Fahaiza-miaina

: LITERATIORA : NY KANTO  : Mahafehy ireo karazana sarin-teny sy rima mamaritra ny mahakanto ny literatiora : Mahafolaka ireo karazana sarin-teny hoentina maneho

Soatoavina

FAHALALANA TOKONY HO AZO

hevitra amam-pihetseham-po : Mitandro ny fenitry ny kanto

SAHAN’ASA - Mamantatra sy mijery ireo karazana sarin-teny maha kanto ny asa soratra literera.

NY KANTO

- Mamorona tononkalo misy andininy vitsivitsy ahitana ireo karazana sarin-teny ireo.

TARIHIN-KEVITRA IAINGANA TOVANA II: Ireo karazana sarin-teny sy fomba filazanjavatra fahita amin’ny asa soratra Lahatsoratra 10: rima 1: « Fahendrena » Rado in Dinitra (18/04/66), tak 72 (and 1 sy and 4) . rima 2: « Ho anao » Rado in Dinitra (10/12/69) tak 110 (and 1- and 2- and 3) rima 3: « Ampisambory » Rado ,Décembre 1971 , tak. 153.

in

Dinitra

VONTOATIN’NY FAHALALANA AMPITAINA NY KANTO -

Famaritana ireo karazana sarin-teny Karazana rima

« NY TANTARAN’NY LITERATIORA » Lohahevitra   Lohateny Fahaiza-manao Fahaiza-miaina Soatoavina   FAHALALANA

VANIM-POTOANA TALOHAN’NY  1820

: LITERATIORA : NY TANTARAN’NY LITERATIORA MALAGASY : Mahafantatra ireo dingana nolalovan’ny tantaran’ny literatiora : Mandalina sy mamakafaka ny fifandraisan’ny litératiora amin’ny tantaram-pirenena : Manome lanja ny litératiora malagasy SAHAN’ASA Asan-tsokajy mikaroka ireo zava-misy nisongadina teo amin’ny tantarampirenena nifandraika amin’ny vanim-

TARIHIN-KEVITRA IAINGANA

potoana nodiavin’ny literatiora Angon-kevitra ho fampahatsiahivana ireo daty malaza manamarika ny tantarampirenena izay tarihin’ny mpampianatra

Jereo Literatiora am-bava : Hainteny , Angano , Kabary , Ohabolana , Ankamantatra, Ankifidy, Vavaka firariana ……

Manasa mpahay tantara hanao famelabelaran-kevitra mikasika ny vanimpotoana hodinihina Fandinihana tahirin-kevitra tarihin’ny fanontaniana

VANIM-POTOANA KRISTIANA (1820-1896)

- Fitsidihana toerana manan-tantara sy sy / na toerana mitahiry ny vakoka malagasy (rova, arsiva ,…) Asan-tsokajy mikaroka ireo zava-misy nisongadina teo amin’ny tantarampirenena nifandraika amin’ny vanimpotoana nodiavin’ny literatiora Angon-kevitra ho fampahatsiahivana ireo daty malaza manamarika ny tantarampirenena izay tarihin’ny mpampianatra Manasa mpahay tantara hanao famelabelaran-kevitra mikasika ny vanimpotoana hodinihina Fandinihana tahirin-kevitra tarihin’ny fanontaniana

Lahatsoratra 11 : “ Tavim-bilany ny aina “ Tonon-kira maintimolaly

Lahatsoratra 12 : “ Ifamoiza-malala” , X Lahatsoratra voafantina , tak . 77 , Septambra 1884

Fitsidihana toerana manan-tantara sy sy / na toerana mitahiry ny vakoka malagasy (rova, arsiva ,…)

VANIM-POTOANA FAKANTAHAKA (1896 – 1915)

Asan-tsokajy mikaroka ireo zava-misy nisongadina teo amin’ny tantarampirenena nifandraika amin’ny vanimpotoana nodiavin’ny literatiora Angon-kevitra ho fampahatsiahivana ireo daty malaza manamarika ny tantarampirenena izay tarihin’ny mpampianatra Manatona mpahay tantara hanao famelabelaran-kevitra mikasika ny vanimpotoana hodinihina Fandinihana tahirin-kevitra tarihin’ny fanontaniana

Lahatsoratra 13 : “ Lamaodin’ Iarivo “ , RADIUM RHOSALIS , Ny basivava , 17 jan . 1908 Lahatsoratra 14: “ Torohevitra ny amin’ny bal” , La redaction , Ny lakolosy volamena , lah. 19 , Zoma 21 Novambra 1913

Fitsidihana toerana manan-tantara sy sy / na toerana mitahiry ny vakoka malagasy (rova, arsiva ,…)

NAMPANGIANA NY LITERATIORA (1915 – 1922)

Asan-tsokajy mikaroka ireo zava-misy nisongadina teo amin’ny tantarampirenena nifandraika amin’ny vanimpotoana nodiavin’ny literatiora Angon-kevitra ho fampahatsiahivana ireo daty malaza manamarika ny tantarampirenena izay tarihin’ny mpampianatra Manatona mpahay tantara hanao famelabelaran-kevitra mikasika ny vanimpotoana hodinihina Fandinihana tahirin-kevitra tarihin’ny fanontaniana Fitsidihana toerana manan-tantara sy sy / na toerana mitahiry ny vakoka malagasy (rova, arsiva ,…)

VANIM-POTOANA FIFORETANA ANATY 1922 - 1929

Lahatsoratra 15: “ Ahoana ry foko “ , Ny Avana R. , 26 Febroary 1917 ( Navoaka tao amin’ny Akon’Iarivo , lah . 4 , 03 Janoary 1924 ) . Lahatsoratra 16: “ Sento miserana “ , Ny Avana R. 07 Febroary 1917 ( Nosoratana tany an- tsesitany ).

Asan-tsokajy mikaroka ireo zava-misy nisongadina teo amin’ny tantarampirenena nifandraika amin’ny vanimpotoana nodiavin’ny literatiora

Lahatsoratra 17:

Angon-kevitra ho fampahatsiahivana ireo daty malaza manamarika ny tantarampirenena izay tarihin’ny mpampianatra

“ Hanina ny tsy fantatra “ , Lys Ber , in Tsara hafatra , taona 1 , lah. 5 ? Zoma 28 Jan . 1927

Manatona mpahay tantara hanao famelabelaran-kevitra mikasika ny vanimpotoana hodinihina

Lahatsoratra 18:

Fandinihana tahirin-kevitra tarihin’ny fanontaniana

“ Embona “ , Samuel RATANY in Ny Mpandinika , lah. 123 , 02 Avrily 1926

Fitsidihana toerana manan-tantara sy sy / na toerana mitahiry ny vakoka malagasy (rova, arsiva ,…)

VONTOATIN’NY FAHALALANA AMPITAINA NY VANIM-POTOANA TALOHAN’NY NIDIRAN’NY SORATRA (TALOHAN’NY 1820)

- Zava-nisy nisongadina o Ny fitondran’ny zokiolona sy ny fitondran’ny Andriamanjaka nifandimby no nisy o Efa nisy ny fifandraisana tamin’ny tany ivelany tamin’ny alalan’ny fifanakalozana arabarotra o Mbola tsy nampiasaina teto amintsika ny latina teo amin’ny fifandraisana ara-piarahamonina - Endrika nisehoan’ny literatiora Literatiora am-bava no nanjaka, angano, ohabolana, hainteny, sova, jijy … - Tara-kevitra  Fihavanana, firaisan-kina, fepetra maha olombelona, finoana ny hery tsy hita, anatra, hafatra… NY VANIM-POTOANA KRISTIANA ( 1820 – 1896 ) - Zava-misy nisongadina  Aogositra 1818 : Fahatongavan’ireo Misionera Anglisy roalahy tao Toamasuna : i Thomas Bevan sy i David Jones nitondra fivavahana kristiana tamin’ny vanim-potoana nanjakandradama  23 marsa 1823 : Nanoratana ny abidia malagasy amin’ny tarehin-tsoratra latina.  1835 : Nadika tamin’ny teny malagasy ny Baiboly protestanta ary tamin’ny 1837 ny Baiboly katolika  Fanenjehan-dRANAVALONA I ny fivavahana kristiana ka anisan’izany ny nandefonana andRASALAMA maritiora…  1896 : lasa zanatany frantsay i Madagasikara. - Endrika nisehoan’ny literatiora  Teto no teraka ny literatiora an-tsoratra izay nantsoina ihany koa hoe : literatiora santata  Tonon-kira maintimolaly  Kônseritra masina  Lahatsoratra famotopotoran-kevitrta  Sombin-tantara notsoahina avy tao amin’ny Baiboly, sombin-tantara noforonin’ny Malagasy izay miendrika angano, mifono anatra.

- Tara-kevitra  Fiantorahana amin’Andriamanitra  Ny fahalememn’ny olombelona  Ny maha tsinontsinona ny fiainana an-tany

NY VANIM-POTOANA FAKAN-TAHAKA (1896 – 1915) - Zava-nisy nisongadina  06 aogositra 1986 : lasa zanatany frantsay i Madagaskikara  Nifandimby nitondra ireto governora jeneraly ireto : - GALLIENI - Victor AUGAGNEUR - Albert PIQUIE  1912 : fijoroan’ny fikambanana VVS.  1914 : Ady lehibe I izay nisy fiantraikany taty amin’ny zanatany

 1915 : fahatratrarana ireo mpikambana tao amin’ny VVS izay niafara tamin’ny fandefasana sesitany azy ireo  Fampidirana ilay firehan-kevitra : « libre pensée »  Fanomezana vahana ny teny frantsay teo amin’ny sehatry ny fampianarana. - Endrika isehoan’ny literatiora  Tononkalo sy ny ady rima  Sombin-tantara  Lahatsoratra famotopotoran-kevitrat  Tantara an-tsehatra

- Tara-kevitra  Fandosoana nentin’ny vahiny  Fanindrahindrana ny siansa sy ny zava-bitany  Adin’ny mpino sy ny tsy mpino  Fitiavan  Fahadisoam-panantenana tamin’ny Frantsay  Fakan-tahaka ny vahiny

NY VANIM-POTOANA NAMPANGIANA NY LITERATIORA (1915 – 1922) - Zava-misy  Lasa sesitany ireo mpanoratra malagasy voarohirohy tamin’ny raharaha VVS  Nihamafy ny sivana natao tamin’ny asa soratra nivoaka an-gazety  Nofoanan’ireo governora frantsay ny gazety famoahan’ny mpanoratra ny asa sorany - Endrika isehoan’ny literatiora  Na dia nangiana aza ny literatiora dia isy ihany ireo mapnoratra noanoratra tany antsesitany :  Tononkalo  Lahatsoratra famotopotoran-kevitra  Sombin-tantara - Tara-kevitra  Hanina ny tanindrazana  Embona sy alahelo ny tanindrazana  Fahatsiarovana  Fanentanana ny fiverenana an-tanindrazana sy hirahiran’ny fiainana NY VANIM-POTOANA FIFORETANA ANATY (1922 – 1929) - Zava-nisy  Tafaverina an-tanindrazana ireo VVS natao sesitany sy ireo miaramia malagasy sisa tsy maty nandray anjara tamin’ny ady lehibe  Ny tolona notarihin-dRALAIMONGO ho fitakiana fitovian-jo ny 19 may 1929  Fikomian’ny tantsaha tao Nosy Varika sy Mananjary noho ny fanjakazakan’ny vazaha ny taniny ny taona 1926

 1929 : fahasahiranana ara-toe-karena maneran-tany  Ny fisian’ny arati-mifindra izay nandripaka Malagasy maro : ggripa espanola sy ny pesta  Teo ihany koa ny asa an-terivozona SMOTIG ny 1926 - Endrika nisehoany  Tonokalo  Sombin-tantara  Tantara an-tsehatra  Lahatsoratra famotopotoran-kevitra  Tantara foronina - Tara-kevitra  Aloky ny fahafatesana  Ny fasana  Ny fahakambotiana  Ny fahadisoam-panantenana  Ny fahatsiarovana ny lasa  Embona sy hanina  Ranomaso sy sorisori-tsaina  Alahelo tsy fanta-pihaviana  Fitiavana feno disadisa

 FITSIPIKA

Lohahevitra Lohateny Fahaiza-manao

: FITSIPIKA : FITSIPI-PANORATANA SY FITSIPI-PITENENANA : Mahafehy ireo fomba fiteny sy fomba fanoratra araka ny fitsipika

Fahaiza-miaina

: Mahay mampiasa ny teny malagasy amin’izay sehatra ilàna azy eny amin’ny fiaraha-monina

Soatoavina

: Manome hasina ny tenin-drazany

FAHALALANA TOKONY HO AZO

SAHAN’ASA

TARIHIN-KEVITRA IAINGANA

NY FANAKAMBANAN-TENY NY FAMPIASANA NY “h-“ MANOMBOKA TENY NY FAMPIASANA NY “azo” / “afaka” NY FOMBA FANORATRA IREO TENY MITOVY FANONONA

- Fanitsiana ny diso ao amina ampahan-dahatsoratra, gazety na amin’ny haino aman-jery: azo atao asantsokajy na asan’ny tsirairay

- Famoronana lahatsoratra ahitana ireo teny fampiasa matetika

TOVANA I: Ireo fahalalana tsara ho fantatra mikasika ny fitsipika

NY TENDRON-TSORATRA - Soratononina

TOVANA FITSIPIKA 1. Atambatra ny fanoratra ny teny roa rehefa anarana raikitra ny fitambaran’izy roa Oh: vody+ondry= vodiondry 2. Asiana tsipi-panohizana manelanelana ny teny atambatra raha miafara amin’ny –ka,tra,-na ny teny voalohany 3. Ampiasaina ny faingo mihantona raha manomboka amin’ny zana-peo ny teny faharoa. Oh: henatra+olona: henatr’olona. 4. Atambatra ny teny ny fanoratra ny teny raha tompon’ny zavatra eo aloha ny teny faharoa Oh : Ravina+hazo: ravinkazo 5. Mirafitra avy hatrany amin’ny teny fenoiny ny mpisolotena tampisaka Oh : Razana+ntsika: razantsika 6. Misaraka ny fanoratra azy raha matoanteny fototeny ny teny miaraka aminy. Oh : Ho vita ny asa rahampitso. 7. Mitambatra raha misy(tovona na tovana) Ohatra: Hovitaina ny asa rahampitso. Hatao ny asa.

Tranga manokana: Manomboka amin’ny eny teny faharoa dia miseho amin’ny endrika feno ny filazam-potoana . Oh: Hoezahina harenina ny lavo.

8. Soratana mikambana ny teny roa hakambana raha milaza hevitra tokana. Oh: Raiamandreny mpitandrina. Soratana misaraka kosa raha milaza hevitra samihafa. Oh : ray aman-dreny niteraka. 9. “aoriana”: milaza fotoana “ao aoriana”: milaza toerana 10. “samihafa”:zavatra iray tarika,fitanisana “samy hafa”:zavatra tsy mitovy karazana,tsy fitoviana 11. “nony”:milaza fotoana “noho ny”:milaza anton-javatra na fampitahana. Oh: Maty noho ny aretina izy. Tsara ny roa noho ny iray. 12. Fampiasana ny “ fa…kosa ”: Tsy maintsy elanelanina teny fa tsy atambatra avy hatrany ny fanoratana ny “ fa…kosa ” Oh: Fa ny fianarana kosa no lova tsara indrindra

Fanitsiana ny diso Lafiny

Lafin’ny

Aza hadinoina

Aza hadino

Antoky ny

Antokin’ny

Momba ny

Momban’ny

Ho avy

Hoavy FA TSY

Mialoha ny

Mialohan’ny

Ho an’ny

Hoan’ny

Tsy azo ipetrahana

Tsy azo hipetrahana

Noho ny

Nohon’ny

Mihitsy

Mihintsy

Maitso

Maintso

Fomba fanoratra ny “ana” manomboka ny teny dia… 1. Atamba-panoratra amin’ny teny eo aoriany ny “an(a)” lasa “an-/am-“ manomboka ny teny: - Raha tsy manambara toerana sy tsy azo foanana. Oh : andavanandro -

Raha milaza hevitra an-kolaka na sarinteny Oh : Nandray antendrony ny hevitra naposaka teo izy ka izany no nampifanolana anay - Raha milaza fatra: Oh : ny ampahatelon’ny fotsimbary tamin’ny gony very avokoa. 2. Ny ankoatra izay dia asiana tsipipanohizana. Oh : Atao any an-tsekoly ny fifaninanana. Nekeny am-pahatsorana ny Fangatahantsika.

Efa am-bolana maro izao no tsy nihaona izy mianaka. Vola an-tapitrisa maro no lasany any. Eo am-pandrasàna no ahitana ny atiny. 3-Avaho ny fampiasana ny “afaka” sy ny “azo” “Azo “: Tsy fampiasa miaraka amin’ny matoanteny enti-milaza aman-tovana : m-, mi-, ma-, man-. Oh: tsy fiteny ny hoe: azo manasa lamba eto ianao. Fa tsy maintsy miaraka amin’ny matoanteny enti-milaza amantovona a- , tovana : -ina, -ana ary tsirinteny sara_droa x-….-ana. Oh : Azo anasana lamba eto. Azo atao ny manasa lamba eto. Azo lazaina amin’ny hafa izany. “Afaka” : Tsy fampiasa miaraka amin’ny matoanteny enti-milaza aman-tsirinteny sara-droa: x-……-ana, a- , -ina, -ana Oh : tsy fiteny ny hoe: Afaka lazaina aminy izany Afaka atao ny manasa lamba eto Afaka anasana lamba eto Fa tsy maintsy miaraka amin’ny matoanteny enti-milaza amantovana : “ m-, mi-, ma-, man- “ Oh : Afaka manasa lamba eto ianao.

MOMBA NY KAMBAN-TENY SY NY FANAKAMBANAN-TENY Fototeny:

Teny tsy azo rasaina intsony ary azo amoronana sampanteny amin’ny alalan’ny fampiasana tovona, tovana, tsofoka, tsirinteny sara-droa

Tady : fototeny ___ itadiavana





1- Momba ny kamban-teny Ireto teny ireto dia akambana : 1.1 raha fototeny roa na ady hevitra > mihoatra na verin-droa ary adihevitra samy tsy matoanteny aman-tsirinteny. 1.2 raha kamban-teny anarana sy mpamaritra miravona ho anarana iombonana

varavarambe / akanjomandry

1.3 raha kamban-teny afaka miaraka amin’ny tsirin-teny sara-droa

manambady / fanambadiana

1.4 raha kamban-teny azo ampiarahana amin’ny mpamaritra

ranomainty mena

1.5 raha kamban-teny tsy ara-bakiteny ny hevitry ny teny mamorona azy

solombavambahoak a

1.6 raha kamban-teny anaran-tsamirery na biby na tanàna

Ombimanga

2- Momba ny fanakambanan-teny Faran-teny  “-ka , -tra” + teny miatomboka amin’ny renisoratra ---- milatsaka ny faran-teny , misolo tsipipanohizana, arahina fiovan-drenifeo.

Oh : tapaka +lalana ----tapa-dalana “-na” + teny miantomboka amin’ny renisoratra---- ny zana-peo “a” ihany no milatsaka , misolo tsipi-panohizana , arahina fiovandrenifeo. Oh : tevana + lalina -----tevan-dalina “ - ka , -tra , -na “ + teny miatomboka amin’ny zana-peo ----milatsaka ny zana-peo “a” amin’ny faran-teny , misolo faingo mihantona. Oh : zanaka+ olona ---zanak’olona

Misy teny mitovy fanonona nefa samy hafa hevitra dia: 3. Misy tsipi-panohizana raha manambara ampahany : Oh : Ray aman-dreny Tanin-drazana Fiaraha-monina 4. Mitambatra raha manambara hevitra tokana Oh  : Raiamandreny mpitandrina Manamboninahitra ambony Tanindrazana I Madagasikara Fiarahamonina malagasy « araka / ara-. » : mampiditra anarana: “ ara- “: araka nilatsaka ny –ka vokatry ny fanakambanan-teny, ahazoana ny sampanteny manaraka, mifanaraka… Ampiasaina ny“ara-“ /” araka” raha toa ka azo soloana ny iray amin’ireto: “mifanaraka amin’ny / manaraka” raha tsy azo atao izay dia ny: “amin’ny / eo amin’ny / amin’ny lafiny / momba ny” no ampiasaina eo amin’ny toeran’ny “ara-“

Oh: Fitsipi-pitenenana aradrafitra! Fitsipi-pitenenana manaraka ny rafitra Hira ara-pilazantsara! Hira mifanaraka amin’ny filazantsara Ireto teny ireto kosa dia tsy miova mihitsy ny fomba fanoratra azy na toy inona fomba fanonona: Araka; momba; tahaka; noho; ankoatra; mandritra; lavitra; mandraka

Fomba fanoratra ny « maha » :  Akambana ny fomba fanoratra azy raha toa azo amoronana matoan-teny aman- tsirin-teny sara-droa ny fototeny miaraka aminy sy / namanambara fiovantoetra Oh: mahatonga => ahatongavana, mahatontosa=> ahatontosana Mahatanora anao ny volo fohy noho ny lava  Rehefa tsy feno ireo fepetra ireo dia mihataka kely ny fomba fanoratra azy . Oh : Ny fanahy no maha olona.

NY LITERATIORA ANKAPOBENY NY LITERATIORA AM-BAVA

Lahatsoratra 1

Izikoa tsy Zanahary naname azy?

Sova 1: Sova 2: Sôva momba ny rano (…) Rano mandeha mihazakaza-dava Lematy amy zany tsary mitodiky afara Tsy mijanono koa tsy raha mahita tahoboko Lôhan-drano tsary nahita vatany Vatany tsary tomoany tiahita lôhany Vodiny eke baka tsy mahay tany misy lôhany Fô lematy tapaka araiky tsy mampihontsiny azy. Ary iny tsy velono eke koa tsy efa latsaka ôrana Somankon-draha eke ny rano e! Vavany tsary hita amin’ny lôhany Fô any amy vata –beny Vavan-drano tsary nisy nify, foana lela. Rano raha maro am-pehiny Samy manana anarany fanantsôvany azy Fô izy koa homby alôhalôha? Zay sojabe foana mitondra anarana zareo jiaby Rano mikajy raha tsary navila Lematy moniny tsisaiky bidôhana ela Fô amalon-tôkan-tsofiny, voay, driatra … Ny raha tariminy akao. Ino koa raha mahavelono alôhalôhan’ny rano

Sova momba ny amboa Vaky ny sova momba ny amboa Mena lela hotry manga vadidy Misakasaka lela tsy homan-tsakay Kepakepa lela, human-tsy mitsiro Vatantenany tokana, nonony valo. Kapakapa nono, tsy hohanin-dronono. Masony karaha voan’angivy Lomay lava tsy irak’andriana Taizan’I Bofono, zafin’I Giaiky. Biroharoha tsy tompon-tanàna. Mandrara vahiny makatra an-tanana Mahita ny tompony te-hilela-tongotro Fiohiny, mibaniky mibanaka. Mamany manenga fe an-kila Mamany an-tsian-dalana tsy menamenatra Dian’amboa tsy aloha tsy afara Lematy voky tsy manasa kapila (….) Amboa manara-dia manantsonantsona Aody kibon’amboa ehi-maitso Lematy mampila miantsilantsilany Lematy gegy, tsy azo ilangalangàna Atahoran-jaza, lifam-baiavy Lalahy jiaby mandray katsamanta Mibitabitaka be hotry olon-di-hiady, Vaiavy mahita azy misalasala Maty ariana, anaran’ny amboa.

Lahatsoratra 2 Tôkatôka 1:

Fampidirana : Mpitôka: “Koraña ambony vato mañaliñ’andro” Mpañara-bava; “Akôry izaiñy e?” Mpitôka: “Vôlaña an-tampon-doha tsy mety lany” Mpañara-bava: “Akôry izaiñy e? » • Mangarangaran-tôndro tsy miasa vary Telo taoño tsy miasa tsy mahafaty Vary vidiñy tsy hita lango • “Karibo tsaiky” zanak’i Manongay Tsy mandroso amin-jaiñy, kidabon’oloño Tsy miditry amin-jaiñy, fañahy tsisy • Lavidavitry tany nombako izaiñy, Antsiñanaña mañondraña i Tamatavy Tamatavy tsy ialam-pakilan-tsambo Sisin-dôko a bazary karaha ropy Zanak’olo a bazary tsy reñy doño Lakolosy a bazary mamelon-taiña Lakolosy mañeno velon-taraiñy Vazaha mandry mandiñy lera • Ampidiroko vôlaña amin-gisy Gisilahy mpanjakam-bôroño am-pahitry Gisivavy hariaña be hita vataña Fivé hongotro lakaña an-tratra Tsapôla maty mandefitry ambôzoño Gisy migaka manan-draha hita…

Korana ambony vato mañaliñ’andro. Volaña an-talan-doha tsy mety lany. Mangarangaran-tondro tsy miasa vary: Telo taoña tsy miasa tsy mahafaty: Vary vidina tsy hita lango. “KARIBO TSEKA”, zanak’I Manongay, Tsy mandroso amin’izany kidabon’olona, Tsy miditra amin’izany, fañahy ts’izy. Lavidavitra tany nombako izañy Atsiñana-mañondrana I Tamatave, Tamatave tsy ialam-pakilan-tsambo; Sisi-daoka a bazary karà ropy Zakan’olo a bazary tsy reñy doña. Lakolosy a bazary mamelon-teña: Lakolosy mañeno velon-tareña Vazaha matory mandiñy lera.endasina dia totoina malemy Hevi-teny: Mangarangaran-tondro: madio rantsantanana Lango: vary lena Karibo: mandrosoa an-trano Sisi-daoka: kiran-trondro Ropy : venty fototry ny vola any Maurice Zakan’olo: resak’olona Mandiñy: miandry

Tôkatôka 2:

Lahatsoratra 3 Jijy: Jijy momba isa Araiky é! Araiky faravavin-drô tañy nandeha aty é. Aroa é!

Aroa menimeniko taminao anao tsy navy é: Telo ô Anao vadikely fanarim-po, mariñy an-trano: Efatra é! Zaho tsy mañafatra ireo tahy ireo navy é. Dimy é! Zaho tsy mahadiniky hôtry ireo miraña kira é! Tsiota a! Tsiôta zara, tsiôta havilomana tonin-jaraé! Fito é! Nanitoito ny ampamosavy jiaby, namehy ritry é! Valo é! Avian’ny fivalozana fahafatesana mbola ho avy é! Sivy é! Fahasivian’I ninny nametry zaho ravin’aody é. Folo ô! Namolapolaka ampamosavy jiaby namehy lalana é.

Lahatsoratra 4: Sokela 1: Ohatra Sokela ifamaliana: Fialantsiny: Mpisokela 1 Eko ity an, tsa Fiefana, Ity tsa Ate-damba, hoe hangalana tsigny ; fa ity ro Teraka aombe, ity ro Vare vokatsa, ity ro Zazalahy soa andro, Apela manam-bitagna ; fa lehe mba hangala ny tsigny, aho ko mahay, fa aho tsa hoagne ; E fa ny hasina ro hiarahatsika Mapakatsa.

Fialantsiny : Mpisokela 2 Satria agnao moa manao manao hoe : tsa misy ny tsigny are tsa agnalana tsigny ; anefa dia hoe agnay manao hoe : ny tsigny ane fagnalan’ny vava ; fa se niagnatsimo agny hoa Rakotomavo, ko nitapody ahatagny ko Razafitsalama, eko ny tsigny nefa raha haragna avo, ny fondro vato malama, eko izay miringiringy ane ro potraka are izay tsa miary aze ro lavo Sokela 2 :

Sokela ventsoin’olo-tokana : Aza fady : Ka manao azafady ny taignako, ny azafady moa dia fangatahan-dalana tompoko. Hiteny eto agnatrehan’ny Ray, eto agnatrehan’ny Reny tsa tapa-tsihy hialoha velatsa na fangady hialoha lela […]

igny ro anaovana ny azafady topoko, hiteny eto agnatrehan’ny Ray, eto agnatrehan’ny Reny satria zanak’ona aho ka tsy maintsy manao ny azafady, satria io azafady io rarivaton’ny tarogna ary koa vogninahitsa ifagnomezana sy ifagnajana.»

Fialantsiny  : Fa agny ihany koa izao tsigny izao, iarahatsika mahalala, be ny fomba fangalana an’izay, fa hoy aho manao manao hoe : agny agnao Ratsigny, aza magnalavitra anay zanak’olombelogna, fa rehe agny ataopon’ny loha agnao, aza manindry, ary ahatagny afara, aza manosika, rehe ahatagny aloha aza maniotra, ary agny apaladia aza misiotra Lahatsoratra 5 : Hain-teny 1: Fandrotrarana anie aho ka fandrotrarana, tsy hamingana anao ho lavo, fa manasa anao mba hidinidinika, ny hazo tokana hono tsy mba ala, ary ny fiainana, lakan-tsy voizin-tsy olon-droa koa lazalazao re ry Rasoamandimandinandrandrain'i foko, ambarambarao raha ianao no Rasoanandrasakohatriniela, tongotra mby an-dàkana ny ahy, ary fitia vokatry ny hanina, ny tia tokoa hono mantsy resy, ka dia lavonao izany tenako Hain-teny 2: Antso : Raha zaza no tsy mety hilalao, tazantazano fa sao dia marofy, Raha tanora no tsy hitotorebika, taitairo fa ndrao very saina, Raha torimaso no tsy taitran’amponga, ndeha fohazy fa sao nodimandry Raha fo tsy ho revom-pitiavana, tsongotsongoy sao safotra ihany Fa raha olon-tsoa toa anao no tsy mety hanambady, aleoko hilefana fa ndrao zana-javatra. Setriny : Ny tankay no tsy mahalala dian-dambo Ny vahiny no hatoro lala-mena mihoatra Ny valala vao no tsy mahalala taon-kiaviana Fa izaho kosa,

Tsy mpandranto tampohin-daviana ka hanorin-dasy vao vaky andro Tsy valala tsy ampoky ny ahitra ka hifiaka ny antsoro maina Tsy vorona saraka ny ala ka hiantsampy amin’ny hazo boboka Atody vola kotrehin-dreniny re ka tsy miala akorany tsy amin-taonany e! Fitia sambaina ka tsy atolotra izay tsy ho tompony.

 LITERATIORA AN-TSORATRA  Lahatsoratra 6 : Aoka aloha hovoasana kely ny teny hoe literatiora : avy amin’ny teny latina hoe « litterae » izy ary litera na soratra no dikany. Ny heviny raha lazaina tsotra dia izao: fandaharana an-tsoratra na am-bava izay zavatra mitranga tao an-tsain’olombelona (…). Ankehitriny dia efa nohalalahina ny heviny ka hila hitovy amin’ny hoe: fanoratam-boky na ny momba ny boky. Mety anefa raha asiana fanavahana kely: tsy hoe rehefa boky dia momba ny literatiora. Araka ny hevitry ny olon-kendry dia ny fitambaran’ireto no literatiora: poésie na tononkira, roman na tantara foronina, …. Lahateny na kabary. Hanin’ny saina, izany tokoa ny boky, mahafatra-po, namana tsy mivadika, mpampianatra be fitiavana, azo anaranam-po. Manoro, mampianatra, mampirisika, mahamiramirana, olombelona toy inona àry no tsy tia boky! RAVELOJAONA in Mpanolo-tsaina, lah. 19, jolay 1908 .

Lahatsoratra 7 : Ny akon’ny literatiora Ny fitambaran’ny voalaza hatreto no azo fatarina hoe literatiora. Raha bangoina dia fitambaramben’ny asa famoronana ilofosan’ny mpanoratra, ny vokatr’izany miako any amin’ny mpamaky sy mpihaino. Marihina fa toy ny famantarana avaratra mahatoky ny literatiora. Manamarika ny vanim-potoana mifandimby izy ary maneho firehana mifandrohy amin’ny toerana ipoirany. Sarobidy ny literatiora satria mitahiry ny tantaran’ny firenena. Mihetsika hatrany izy, miitatra, mihavao manaraka ny toe-tsain’olombelona. Raha n yeo amin’ny sahan’ny fampianarana no zohina dia tonga taranja iray lehibe, zary lalampiofanana iray mihitsy ny literatiora. Azo heverina ary fa ny literatiora no mpivoy ny eritreritry ny olombelona, ny fihetseham-pony, ny firehany, ny tantarany. Tsy azo lavina noho izany fa ilain’ny isam-batan’olona ny literatiora. Mandravaka isan’andro vaky izao izy, ka ho tany hay ihany izao tontolo izao raha tsy misy azy mpamelona aina. Manampy ny tsirairay eo amin’ny fanefena ny maha-olona azy ny literatiora. Mampianatra ny olona hahay hanasokajy ny tsara sy ny ratsy. Mandrisika azy hitrandraka sy hikajy ny soa toavina.manefy ny toe-tsaina ho tia mamorona sy mikaroka ihany koa ny literatiora. Lila RATSIFANDRIHAMANANA, Rary Ranto 95, tak. 10-1

Lahatsoratra 8 :

Hanoratra ?

Hanoratra indray hoe? Hanoratra ahoana? Ny vita hatrizay aza tsy misy mpamaky Fa tahaka ny resaka atao amin’ny moana Toa enta-tsy lafo tsy nisy mpitaky. Tsia, fa hanoratra ihany ny tenako Raha mbola misy ny tokony hambara Hanoratra ihany fa sao hanenenako Raha to aka mivily ny lalan-tantara. Hanoratra ihany aho raha mbola misy Ireo mandrifotsy tsy manan-ko hanina Mikidoro sento mirakotra indrisy Reraka, tsontsa sy toa valalanina…. Hanoratra ihany aho ho fampaherezana Ireo izay mitolona sady voasedra Ho mari-piraisana, ho mandatehezana Hitsoka ilay afony hiredareda.

No mety ho jiron’ireo tranomaizina Misy sakaizako tsy afa-miteny Nefa, tsy kivy na ambanan-kofaizina Hanoratra ihany aho ka tsy hitsahatra Dia sora-baventy izay mora vakina Fa ny fahafahana ihany no zahatra Hany hahatrarana izayy hitodiana. Hanoratra ihany aho, hanoratra foana Ho an’ny mpitondra an’ity firenena Hanitsy ny diany raha misy mivaona Amin’ny lalan-kizorana nifanekena. Hanoratra ihany aho ombieny ombieny History ny tanjona izay itolomako Fa raha nahalala ka dia tsy niteny Dia inona foana no nahavelomako?

Hanoratra ihany aho ho fanantenan’ Ireo very hevitra mila ho vizana Hilaza fa ho avy ny fahazavan’ Ny andro marainan’izay nikirizana.

Hanoratra ihany, sao mba ireny

RADO in Dinitra, tak. 140, 30 Jolay 1983 Lahatsoratra 9 : Tokony hohajaina ny arofenitry ny kanto …Anisan’ny seha-javakanto miroborobo tokoa eto amintsika ny literatiora. Maro ny tanora amanan-tanlenta. Ny indro kely mila, mila hiverenana ny fahaizana mifehy ny teny Malagasy sy ny maha kanto ny asa soratra… Maro ireo tanora no mirona mankany amin’ny fanoratana, hany ka tsy voahaja intsony ny arofenitra eo amin’ny lafiny kanto. Masina anefa ny asa fanoratana ka liana fahamalinana ny fikirakirana azy. Tena miroborobo ny fankafizan’ny tanora ny literatiora indrindra raha eny amin’ny tambajotran-tserasera manokana. Misy olana ihany koa anefa ilay izy raha jerena amin’ny lafiny hafa. Tsy inona izany fa ny fifehezana ny teny Malagasy. Tokony hahay mandanjalanja ny tanora manoloana ny fanantontoloana. Tsara ny manoratra saingy tsy izay rehetra voasoratra no aseho vahoaka. Na izany aza, efa anisan’ny zavatra iray mahavelombolo sy mahafinaritra aloha ny fahitana fa miverina mankafy sy mandala ny haisoratra ny ankabeazan’ny tanora. Azo arenina tokoa ireo lesoka ireo. Anisan’izany ny fanentanana ho tia vaky boky, izay lalana iray tsara indrindra mampitombo fahalalana.

Raha ny hoavin’ny asa soratra indray, mahavelom-panantenana, satria raha mitaha amin’ireo zoky mpialoha lalana teo aloha, manana tombony toa ny poeta sy ny mpikanto amin’ny izao vanin’andro izao noho ny fivoaran’ny teknolojia. RAHARIMALALA Rodalson Jenny (Aingam-panahy feon’ny Saina) 30/01/2018 in gazety Taratra

NY KANTO Ireo karazana sarinteny : 1. ALLITERATION: Tamberin-drenifeo Oh: Ondry fotsifotsy fito fotsifotsy kitokely fotsifotsy hatramin’ny foto-poto-tsofiny 2. AMPILIFICATION: Fanamafisan-kevitra Oh: tamin’ny voalohany ny teny, ny teny dia tao amin’Andriamanitra ary ny teny dia Andriamanitra 3. ANACOLUTHE: Fivadi-drafi-pitenenana. Oh : Ny lohasaha sy ny lemaka no manjaka eo aminy , izahay nefa no ivoahan’ny loharano = entina ilazana ny tendrombohitra sy ny vehivavy. 4. ANADIPLOSE: Tamberin-teny eo am-para sy fiandohan’ny fehezanteny. Oh : Ny tsy fisiana no niforonan’ny fahabangana, ny fahabangana no niforonan’ny hirika, ny hirika no niforonan’ny tsioka, ny tsioka no niforonan’ny tafoforana ary ny tafoforana no nampisy ny fibontsinana.

5. ANAPHORE: Tamberin-teny an-dohan’andalana na an-doham-pehezanteny Oh: Tsy izay rehetra mamiratra dia kintana Tsy izay rehetra ilain’ny fo dia faritana Tsy ny misondrotra avo no manaka-danitra (...) 6. ANTANACLASE: Fiverenan’ny teny izay manana hevitra hafa. Oh: Manana anton-javatra tsy fantatry ny saina ny fo fa raha sokafana ny vilany fantatra ny ao anatiny ary raha miteny ny olona dia fantatra ny ao am-pony; Ny vony no narendrirendrin-drivotra fa ny fo miray ihany no faka hitsirian’ny hazo. 7. ASSONANCE: Tamberin-janapeo Oh: Nankaiza ireo farafara nafarana an’i Fara tamin’ny andron’ny fararano . 8. CALEMBOUR: Kilalao teny (teny mitovy na mitovy feo fa samy hafa hevitra )  Toy ny nahandro takatra, izay takatra no aroso  Enga anie ianareo hifanena amin’ny takatra, hahatakatra ny ratsy mety ataon’ny olona aminareo. 9. COMPARAISON: Fampitahana (matetika dia mety ahitana teny mampitaha: toy, toa, sahala, tahaka, dia ,....) Oh: Ny vehivavy dia tatamo endriky ny farihy.

10. CHIASME: Vadi-drafi-pehezanteny mifanaraka raha tokony hisyfifandanjanpifanoherana.  Ny lehilahy mitana hazomanga; tendrombohitr’olona kosa ny vehivavy  Ny mahazatra dia ny hoe: ny lehilahy mitana hazo manga; ny vehivavy tendrombohitr’olona. 11. GRADATION ASCENDENTE: An-tanan-tohatra misonga  Oh: Ny lohasaha fandrian’ny moka, ny tendrombohitra fandrian’ny zavona fa ny olombelona kosa fandrian’ny fanahy . 12. GRADATION DESCENDENTE: An-tanan-tohatra mijotso  Oh: Miala tsiny amin’ny Ray aman-dreny, zokibe toa ray, mitovy saranga amin’ny tena, zandry zanaka ary ireo andriambavilanitra. 13. HYPALLAGE: Fivadin-teny  Matin’ny mason’ny olona marina ny fahazavana  Ny fahazavan’ny mason’ny olona marina. 14. HYPERBOLE: Filaza masaka, fanitaran-kevitra mihoatra ny tokony ho izy Oh: Any aminay, dakan’ny alika fotsiny ny goavy (ilazana hamaroana) 15. HYPOTIPOSE: Fitanisana - Oh: Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina - Oh: Manao aza fady, aza tsiny, aza fondro 16. INTERROGATION ORATOIRE: Fanontaniana tsy miandry valiny fa efa voavalin’ny mpanoratra Oh: Fa ianao ity ve tsy azo tenenina mihitsy e? 17. IRONIE: Fanesoana, fandatsana: ANTIPHRASE - Leo ny tafobozaka sahady ve e? : Ilazana ny olona mihaotra loha lava na miady saina lava ka anaovan’ny olona sarin-teny. 18. LITOTE: Hasohasom-piteny v.s EUPHEMISME (fanalefaham-piteny) Oh: Maty Rakoto (Litote)/ Nodimandry Rakoto (Euphemisme) 19. METATHESE: Fivadi-tsingam-peo sy ny INTERVERSION  Tokoa = kotoa  Pôketra = Kôpetra  Tokotany = kototany  Tetezana= tatezana 20. METAPHORE: Fanoharana, fampitoviana, Fanovana endri -javatra Oh: Kodiaran-tsarety ny fiainana: izany hoe mifandimby ambony sy ambany. Voatra ampangoro ny olombelona: izany hoe misy ny manana dia misy ny sahirana 21. METONYMIE: Fiovan-keviteny, Fanovana anarana  Mandry andriran’antsy na mandry tsy lavoloha : matahotra, miahiahy, kaodikaody 22. ONOMATOPEE: Teny niforona amin’ny alalan’ny feo  Oh: Akoho (mikokokoko), omby (mimà na mimamamama), rano (misasasasa), rivotra (mifofofofo) 23. SYLLEPSE: Fanitarana ny sain’ny mpamaky hisaina izay hevitra ambadika Oh: tamin’izany andro izany tokoa...; indrisy rahavako! 24. SYNECDOQUE: Teny entina milaza ny manontolo Oh: Very seza ny mpanao pôlitika : tsy seza ihany no very fa ao ny vola, ny voninahitra,.. Lahatsoratra 10 : Rima 1 : (Rima mifanjohy)

Fahendrena Nahoana no gagan’ny fiainana an-tany? Ny zavatra fantatra moa fanontany? Am-badiky ny andro baliaka, mirindra No misy ny aloka maizina indrindra. (….) Atoroko anao ‘zay hoe fahendrena Sao dia mikimpy sy mamita-tena Dihizo ny hiran’ilay lohataona Rehefa avy eo, miomàna hisaona! RADO (18/4/66), in Dinitra, tak. 72

Rima 2 : (Rima mifaningotra) Raha maro ireo matory Kanefa mandry fotsy?

Ho inonao Ho inonao ny dihy, Raha mbola tsy anerany Ireo mitafy tsihy Ambany tafo-herany?

Ho inonao ‘ty lamba Rongony tsara fahana, Raha mbolamisy jamba Sy orim-pahafahana? RADO, in Dinitra, tak. 110, (10.12.69) Rima 3: (mifampisakambina)

Ho inonao akory Ny fiaranao mandrotsy

Ampisambory Ampisambory kely tsikitsiky iray raha azonao atao Fa lasa sy nandao ilay ahiko omaly, ka nampangaihay! Ampisambory tsiky, fa tena an-tanan-dany ‘ty làlana diaviko ‘Lay mba notiaviko Lasa omaly hariva… Ary any dia any! Ampisambory tsiky ‘ty molotro sakaiza f’izany sisa heriko! Raha to aka tsy voaveriko Aza omena tsiny…Ny resy moa hankaiza! RADO, in Dinitra, Tak. 153, (Des. 1971) NY TANTARAN’NY LITERATIORA Lahatsoratra 11

TAVIM-BILANY NY AINA

1-Tavim-bilany ny aina Tsy hita izay hahavakisany . Fofo-nahandro ny aina Tsy hita izay hahalevonany .

3-Tsy impiry no ho tanora Indray mitoraka ihany . Ny faty mpanazakazaka Zanahary no tompon’ny aina .

2-Ny fetry ny maty tsy hita Hazo amoron-tevana Tsy hita izay ianjerany Na ho andro na ho alina .

4- Ny maty indray mandeha leo ihany , Ny maty indroa no tsy tanty . Sambatra ny mino an’i Kristy Fa hahazo ny tena Fiainana .

Tonon-kira maintimolaly Lahatsoratra 12 : IFAMOIZA-MALALA Naniry zanaka ,hono, ireto olona mivady ary izao no voady nataony : ‘’Raha mba miteraka isika mivady , indrindra ka lahy , dia mamory izao havana aman-tsakaiza rehetra izao isika ka manao fifaliana lehibe eto amintsika ‘’. Nony taty aoriana , dia nanana anaka izy , ka tera-dahy .Hafaliana moa izany ! Ka raha vao tapa-bolana afaka an-komby ravehivavy,dia namory ny Havana aman-tsakaiza rehetra izy . Nampoizin’ireo Havana ireo fa ho hanim-pitoloha tsy laitra ailika no hifaliany tao ; kanjo inona fa ny toaka ihany no natombiny tamin’ny siny teo .Nanao faribolana nanodidina ny fipetrak’izyrehetra vahiny ary izy mivady sy ny zaza teo ampovoany , ka nifandimby nitaho teo izy mivady ary siny moa no natombina fa tsy mba tavoahangy akory , ka izay fahavoazana indray ve holazaina ! Nony efa samy nandehandeha nirediredy teo izy rehetra dia tsy naharitra Ramatoa ka nanao hoe: ‘’Tehafo aho handihy !’’.Niaraka tamin’izay dia velona ny lamako eran’ny trano , ka nitsangana Ramatoa , nefa ny zaza teny an-trotroany ihany , ka nony vao nitoto indray mandeha dia niankarapoka izy sy ny zazakely ka voatsindriny tao ny zanany ! Tsy nampiraika azy akory izany fa lasa nampandriany aloha ny zazakely ambara-pahatapitry ny totorebika nataon-dRamatoa . Nony ela , nisinda ny toaka sady ny Havana efa lasa nody , dia noraisina ny zaza , ka inona no teo, fa nangatsiaka antaravelona ! Nikaikaika no hany hery fa lasa Ralainirina ! X., Lahatsoratra voafantina , tak. 77 , Septembre 1884

Lahatsoratra 13

LAMAODIN’IARIVO Ny maodin’Iarivo jerena tsy fantatra , No tian-kolalaovina , tiako hambara , Fa maodin’ny ngeza ,hono,f’efa misantatra , Fanaon-tsivilaizitra , fantany tsara : 

1-Ilay patalohany dia fonom-basy , Atao mifaninjitra ka fantezisitra

NY LEHILAHY 4-Anilan’ny enina santimetatra , Ny kaolina fotsy omban-karavato ,

Omban’ny fandeha efa kasy dia kasy , F’izany no maodin-dry ilay mifantsitsitra .

Sisihiny paingotra mba hanjopelatra , Mijoro amin’izay ka dia mahafatifaty .

2-Ilay palitao dia jijy jaketra , Atao telo bokotra vaky lamosina , Mibikam-pitizy ka mipararetra ‘Zay hisy tomika , dia nofinofisina .

5-Izato fihetinybe haingitraingitra , Angolangolainy amin-kosimetika , Parisy fihogo ka dia mivinaingitra Ka nony misatroka dia ‘’Iadibika’’.

3-Ny bikan’ny kiraron-dry zalahy gaona , Atao lava loha mamonjy lamaody , Anaovam-panitsaka mivaombaona, Ka aoka zalahy fa baondy dia baondy .

6- Ny fipololotran’ny setro-tsigara , Avoakany an’orona ; mibobobobo, Ny resaka eo amin’izay ts’isy fara , Ka revo dia revo milaza haboob .

7- Ny tehi- marotsaka toy ny harefo , Tazano toujours ,f’an-tanany ihany Somary hafolaka hilefolefo , Kinanjo , mahita ‘’Ilay any ho any ‘’.

2-NY VEHIVAVY 1-Izany lamaodin-dry zavavy kosa , Akanjo baliaka Asian-korsé Arahina rôby mikorosarosa , Ka ‘tesa anie aho alohan’ise .

4-Ny fomba fielo no kanto dia kanto, Somary fotorana tiana hijoboka , Asiana fihetsika milantolanto , Izany no maody ka tena fangoloka !

2-Ny lamba manify na makarakara Atao kaompilé ka sosonan-tsomizy Ngetsanina kely hitomaratara , Ka dia bonjour ho aho ‘zato izy ! 3-Izany famindra somary mitolaka, Manainga ny zipo toa manatsikera , Fihetsika kinga fa toa valabalaka , Kinanjo ny havako te hampidera !

5-Ny bikan’ny kiraro no tena mijoro , Ilay vodin-tongony iva fa kinga Tsy ‘reo lava loha fa saika efajoro , Mijadom-pamindra fa tsy mba mandringa . 6- Ny volony mainty ngitainy ho oly , Rehefa bangoina atao borabora . Ny fihodirany no mahangoly , Ka dia merci e ! ry maro tanora .

7- Ny fomba famindran’Iarivo tontolo , Somary mijidina mihinjitrinjitra , Na lahy na vavy dia izany daholo , Ka veloma ihany ‘nareo sivilaizitra . RADIUM RHOSALIS , Ny Basivava , 17 Janoary 1908 .

Lahatsoratra 14 :

TOROHEVITRA NY AMIN’NY BAL

Ny ‘’bal’’ dia fanasana hoenti-mampiseho hafaliana lehibe izay anehoam-pitiavana sy fankasitrahana ny olona asaina . Misy vola betsaka lany sy herim-po ary fahasahiranana amin’izany kanefa tsy heverin’ny mpanasa izany , noho ny fitsimbinany ny firavoravoana sy ny fifaliana ho vokatr’izany . Noho izany kosa amin’ny ankilany : ny asaina tokony hanana toetra mendrika sy mahay mankasitraka ary manaja tsara ny mpanasa fa izany no ahafantarana azy ho olona mendrika ny fanasana izay atao aminy ary hita izany amin’izao zavatra ambarany izao : NY FITAFIANA dia tokony ho mendrika sy tsara araka izay azo atao, mifanentana amin’ny fanasan’ny bal . Tsara ny palitao jaketra , ny redengoty , ny pataloha misoratra kanefa samy tsy fitondra amin’ny bal ireo .Ny jaby ihany no tena fanao mendrika indrindra ho an’ny lehilahy ary ny zazalahy kosa , dia manao smokina izay antonona ny zazalahy . Azon’ny olon-dehibe atao ihany ihany anefa ny smokina raha ambanimbany ihany ny fanasana fa tsy malaza loatra; fa rehefa fanasana lehibe ,dia tsy maintsy mandray jaby ny lehilahy ary ny fonctionnaires, dia manao grand tenu . Ny CARTES FANASANA :fanaon’ny mpanasa ny mandefa carte d’invitation ho amin’ny olona asaina ary mety mihitsy ny hamaliana azy am-panajana , valo andro mialohan’ny fotoana fanasana raha dia ela indrindra ;milaza ny handehanana na ho fialan-tsiny raha sendra azon-tsampona . NY VADY : raha bal no fanasana , dia tsy mba ambinambiny akory no ametrahana ny hoe :’’Madame’’eo alohan’ny Monsieur amin’ny carte fanasana ,fa tena foto-javatra mihitsy , fa aiza no hisy danse lavorary raha tsy misy Mesdames . Zavatra irin’ny mpanasa mihitsy ny handehanan’ny vehivavy sady manantena ny olona asaina hahatanteraka izany izy; koa azo lazaina miharihary fa diso fanantenana mihitsy ny mpanasa rah any vatan-dehilahy manankaja fotsiny no mameno ny trano fandihizana ary raha izany dia tsy fahaizana manaja na mankasitrakany fanasana no hita amin’ny olona izay manao toy izany . Noho ny fitiavan’ny mpanasa hahamaro ny vehivavy tonga amin’ny fanasan’ny bal aza (fa fanaka malemilemy moa ny vehivavy ,ka tsy mitovy amin’ny lehilahy loatra ) dia efa tonga fomba eran’I Europe ny itondran’ny olona voaasa ny Mlle(zanany vavy tsy mitokan-trano ) .(…) La REDACTION, Ny Lakolosy volamena, lah.19, Zoma 21 Novembre 1913

Lahatsoratra 15 :

AHOANA RY FOKO

Ahoana , ry foko , Ny sento miloatra no toa sesilany? Tsy efan-toloko Na sitran’ireny ny ratran’ny tany ! Ny maso mijohy Mba faohina ihany , tsy mety ho maina ; Tsy mety ho fohy , Toa eri-dririnina tamy maraina ! Endre miampanga ! Fa mora mivadika ho azy eo foana Iry lanitra manga . Tahaka ny andro iravoravoana ! Iry vola-mazava : An’androny vitsy no feno dia vita ! Fa banga sy rava

Lahatsoratra 16 :

SENTO MISERANA

Ranon’orana mijojo Ny hariva , Ka maharitra nitozo , Fa nadiva Ho maraina be ny andro , No injao , Ka ho vaky ny masoandro Vao mba lany !

Lasalasa ho azy foana Ny toloko ; Fa maninona , nahoana , Hoy ny foko , No manembona ny saina

Dia alina maizina sisa no hita ! Mba torak’izany , Ny kintan’ny lanitra mangalahala : Ny alina ihany Fa nony maraina dia indro miala . Ny hazo maniry Ny tany ijoroany manjary Edena ! Kanefa mba firy Ny vony maharitra mba hojerena ? .............................. Izany sy izany Ny zava-drehetra ka aoka hisaina . Tsarovy fa tany Dia vovoka ianao,fa saingy miaina ! Fiovaovana , Fivadibadihana ihany no eto Ka sao hadalana Ny lava fisento ka eritrereto !

Ka mankany Amin-kavana lalaina Any ho any?

Norotsiako tsy handroatra Ka tsy nety ; Lasa ihany ka nihoatra Sy nitety Ranomasin-tsy hita fara , Tsisy fetra … Tany Madagasikara Vao nitoetra !

Nosoratana tany an-tsesitany , 7 Febroary 1917 Ny Avana 26 Febroary 1917 . (Navoaka tao amin’ny Akon’Iarivo, lah.4 ny 3 Janoary 1924 )

Lahatsoratra 17: Hanina ny tsy fantatra Mangina mangina ny alina izany, Toa reko matory, matory ny tany; Fa ity foko kosa nahoana hono lahy No toa mitoreo, tomany tsy nahy? Ny vola-baliaka mamiratra ambony; Izay mba jereko dia tony dia tony Mandeha ny hanin’ireo voninkazo, Fa ity foko kosa indrisy malazo.

Akipy ny maso, terena ny loha Atao tery manta ny fo tsy hifoha Kanefa tsy mety toa mainka mandroatra Ilay hanina anaty tsy fantatro loatra. Nipaika ny sivy, mandroso ny folo Dia lasa ny tany, nandeha sy misolo, Fa ity foko kosa miandry miandry Ny valin’ny sentony, ka tsy tafandry

. LYS BER Tsara hafatra, taona 1, lah 5, Zoma 28 Janoary

1927

Lahatsoratra 18: Embona Ho an’I J.J Rabearivelo noho ny “Coupe des Cendres” Fa hay ve ny rivo-mandalo dia sahy Nanaitra tsy satry ny foko natory, Ka nety nitondra fitserana ho ahy, Dia tsetra nipongatra tsy hitako akory!

Dia efa nangina sy ntaolo dia ntaolo, Fa rakotry ny andom-pisentosentoana, Tsy misy mpisaina toa vohitra haolo.

Ny saha fatorian’ny fanadinoana

Tsaroako va re izany andro fahiny

Kanefa maninona kosa ary ho’aho, Ilay takoperin’ny fo nitadidy No nety nandefa ny ran’ny talaho Hitobaka anaty kapoaka mangidy?

Izay nampisendaotra fanahy falifaly? Ny fasana ve no homeko tsiny, Satria izy ihany no toa nampijaly? Satria hofa-tanana tokana monja No nanakambanany ny olona iray; Kinanjo ampidiriny anatin’ny fonja, Dia fonja hirindrina mandrakizay! Ny fahafatesana! Fantatra ny asany, Ka moa hahataitra? Mangina e, ry foko! Ny fahatsiarovana ny havana lasany Dia mampitambesatra ziogan-toloko. Atao hoe: mihodina, hono, ny tany Ny fiainana, hono, misolo, misolo;

Ny masoko angaha mahadinika izany, Rehefa misento izy vonto daholo! Misosa, misosa eny ihany ny taona, Ka toa tsy tadidy ‘lay ora sy daty; Tomoetra ny fo dia alana ny saona, Ny fahatsiarovana anefa tsy maty. Ka ny lokon’ny rahona ve ho jerena, Ka dia mampisento ny vohon’ny tany; Na mbola ho fotsy io, na mainty, na mena, Lalàna: tsy maintsy manakona ihany! Samuel RATANY Ny Mpandinika, lah. 123, 2 avrily 1926

RIBA LOHAHEVITRA : « NY FANDROSOANA »

Lahatsoratra 19 : Ny atao hoe « fandrosoana » dia fitatry ny faritra heverin’ny olona tsirairay ho “ Izao tontolo izao “ . Fony mbola toy ny biby ny olmbelona , ka niaina tao an-davabato , dia ny tenany ihany, ary tsy nisy afa tsy ny tenany no noheveriny ho “izao tontolo izao”. Nony nandroso kelikely izy , dia nitatra ho ny vady aman-janany no “izao tontolo izao”. Dia ny mpiray tanàna . Dia ny mpiray foko . Dia ny mpiray firenena …. Efa tonga eo izao ny androatokon’ny olombelona , fa mba hatraiza kosa ny faritra afatsika Malagasy ? Mampanongo tena ny hilaza fa tsy mbola mihoatra ny vady aman-janaka io faritra io , ary izany no mahatonga ny maro amintsika ho mora andairan’ny kolikoly sy ny sisi – bola isankarazany (…). Amin’ireo manam-pahaizana manokana momba ny toe- karena , dia tsy misy ve , na dia iray aza , mahatakatra ny tsi – fetezan’ny firafitry ny toe- karentsika ? Sa dia marina tokoa ilay fitenenana hoe : “ Betsaka manam-pahaizana ny Malagasy , fa vitsy no manan-tsaina “. (…) . Koa ny toe-tsaina raha te-handroso marina , no tsy maintsy hamboarina voalohany indrindra : tsy ho mora hambakaina amin’ny rendrarendra hahazoan’ny hafa tombom-barotra fa tsy hitera-tsoa ho an’ny tena ; tsy hanilikilika ny zavatry ny tanin’ny tena , ka hanavo – dafo avy any an-kafa … . Fa hampiasa , araka izay azo atao , ny kely ananan’ny tena mba tsy hiankinana amin’ny sasany , fa izany no atao hoe fanagasiana ny toe-karena . Raha ny marina aza , tokony ho nohidiana mihitsy ny varavarana rehetra tsy hahafahan’ny entana avy any ivelany miditra aloha mandritra ny fotoana voafetra , hahitana izay mety ho vita eto an-toerana sy ny tsy mety ho vita . Hipoipoitra ho azy ny manan-talenta malagasy amin’ny taozavatra , tahaka ny nipoipoirany nandritra ny ady 1939 - 1945 tsy nahafahan’ny entana avy any an-kafa niditra Ny kitay no ananantsika . Ny rano no ananantsika . Ny afo no ananantsika …. . Ny fampiasana ireo amin’ny famokarana sy ny fitaterana no fahendrena , fa tsy ny fitomaniana randrana manendrika ny sasany . Tsy ny tsy filana fanampiana avy any an-kafa ihany no fahaleovantena ara-toe-karena , fa ny fijoroan’izany toe-karena izany hahavita tena amin’ny vokatry ny taniny . E.D. ANDRIAMALALA in Ny Fanagasiana tak. 36 - 42 Lahatsoratra 20 : “Tsy ho tafita mihitsy ny tetika raha mbola misara-bazana isika malagasy, hoy Randria : misarabazana noho ny fihaviana, misara-bazana noho ny antoko poilitika, misara-bazana noho ny harena tsy itovizana, misara-bazana noho ny antokom-pivavahana. Tsy vita tsy ifanakonana anefa ity raharaha ity na dia ny an’ny tena samy irery na ny an’ny tanindrazana iombonana. Be loatra ny jambana’ny vola sy jamban’ny toerana mamirapiratra. Maro loatra ny sahirana amin’ny vary iray lovia anio sy rahampitso ka tsy mahatazan-davitra intsony.

Mihodina an-toerana fotsiny anie isika amin’izao rafitra iainantsika izao, r’ise. Ny voky ihany no vokisana, ny sisa mandady vao homana. Atombohy hatrany amin’ny ara-batana ny fampiharana ny fampitovian-jo. Aravino ny toe-karena samy hanana ny tandrify azy ny olona tsirairay. Aravino koa ny fampianarana hahatratra ny sarambabem-bahoaka, hatrany amin’ny fampianarana fototra ka hatrany amin’ny fampianarana ambony, hahazoan’ny olona tsirairay ny anjara-masoandrony tsy misy mpanakotakona. Azo tanterahina izany rehefa manaiky daholo ny olona rehetra. Rehefa samy mahatakatra fa miankina amin’ny tsirairay ny hoavin’ny firenena. Raha izao mbola samy manao izay hamenoany ny kitapony izao no mitohy dia lavitra ny fivoarana. Atahorako hitelina am-balongany ny fampianarana tandrefana koa ireto zanatsika ka hahatonga ny fahaleovan-tena ho kalokalo fotsiny. Mitsikafona ! Sady tsy maintsy mifofotra isika no mively vy ankehitriny ; hoy Razaka mpampianatra. Ny hanina andavanandro tadiavina, ny ady hialana amin’ny fangejan’ny mpanjanantany tsy mbola afa-po sady tsy manaiky ny fahaleovantenantsika atrehina. Ny fanitsiana ny saina efa zatra rafitra kapitalista etsy andaniny. Marina ny an’ise Randria, fa mbola be loatra ny malagasy taman-komana fahiny no miray tsikombakomba amin’ny mpitsetsitra tsy mety voky. Ka raha tsy miray hina isika amin’izay hampivoarana ity tanindrazana iombonana ity, raha tsy miara-mientana isika dia tsy ho tafavoaka mihitsy.   HO AVY NY MARAINA pejy 137 – 138, Esther RASOLOARIMALALA RANDRIAMAMONJY Lahatsoratra 21 : Malagasy mankany…. Eny, ho’aho, Ramalagasy ! malagasy be fivoarana ! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana! Izato fihetsiketsikao e, izato fomba amam-piteny! Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny! Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha: Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko Ka nanajanaja hoe: “mandehana, sombiniaiko”! Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga, Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga Izay nivimbina enta-kely – toa tsy zakany sahady Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana aza fady! Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra…. Eny, hoy izy velon-tsento: mafy izany ka tsy toa Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha!..... Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody: Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody, Irony ilay mitentin-doko sy mibory volo irony Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony!

Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampintantana: Ankizilahy sy ankizivavy, amin’ny tena fisandratana, Miova tsy mpivady mihitsy amin’izato fombafombany…… Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombantombany. Nantenain’Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza, Dia nifampikomikomy…., ‘ndeha hiserana, handika…. Ingahibe no miarahaba ireto zana-kavantsika! Eny, ho aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana! Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana! Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao, Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO. Randza ZANAMIHOATRA in Vainafo Tononkira ; tak 22 -23

Lahatsoratra 22 : LOZANAREO Raha ianareo mpivavaka Natao hifankatia No variana mifandramatra, Sy mifanaraka Matimaty foana ilay Kristy. Raha ianareo mahay Avara-pianarana hanondrom-pirenena No hanambaka anay Foany ny sekoly fa mamiratra jerena Fa loza ho anareo Zay nomena fahefana Notolorana andraikitra Raha vokin-tombontsoa Dia mibarareoka feo Sy mivadika andraikitra. ASINIONY “Akom-piainana”, tak.28

LOHAHEVITRA: « NY FAHAFAHANA »

Lahatsoratra 23: Ny tabataba

Taona vitsivitsy taorian’izay, nisy zava-dehibe niseho : nahazo fahaleovantena I Madagasikara .Fanambarana miezinezina , re tamin’ny lafy valon’ny Nosy , no natao teo Mahamasina . Betsaka nyMalagasy no nihevitra fa vitan’izay ny fanandevozana azy . Tamin’ny voalohany ihany anefa dia efa nisy zavatra azo lazaina momba io fahaleovantena io : nomena izy io fa tsy azo . Ny notolorana ny fahefana dia filohan’ireo madiotanana nifarimbona tamin’ny vazaha nandritra ny tabataba. Satria tsy maintsy hahazo fahaleovantena i Madagasikara, tiana ho fantatra na fahaleovantena miendaka tanteraka amin’I Frantsa izany , na fahaleovantena mijanona ao anatin’ny atao hoe fianakaviambe frantsay . Io farany dia fombam-piteny natao hilazana ny fifatorana ihany amin’I Frantsa, io no nandray ny fahefana teto . Hotsapaina ny hevi-bahoaka .Hanao ‘’eny ‘’izy raha tiany ny hitohy hiray dia amin’ny Frantsay ary hanao ‘’tsia’’ raha tsy sitrany izany .Fampielezan-kevitra goavana no natao mba hampandresy ny ‘’eny’’ (…). Nihaino ireny rehetra ireny ny vahoaka. Feo hafa nefa no mbola namelovelo tao am-pony , feo mampahatsiahy azy ny folo andro sy telopolo andro , ny baositady , ny fampiasana an-tery , ny fakana ny taniny , ny mosary niainany teo imason’ny vary be nojereny fotsiny sahala amin’ny tany nahalavoana , feon’ny miaramilam-potaka nitondra ny mangidy indrindra nandritra ny roa taona latsaka kely , feon’ireo nokaravasiana sy niaritra fampahoriana isan-karazany nandritra ny tabataba , feon’ireo notifirina sy navarina velona tao Sahabe , antso farany nataon’ireo telo kalesy naringan’ny tafondro maro vava tany Moramanga . ‘’Raha ny vazaha ‘’, hoy ny eritreriny, ‘’aoka izay’’ .Nanao ‘’eny’’ ny tsy niharan’izany rehetra izany , ny sisa kosa nanao ‘’tsia’’ . Ny androatokon’ny mponin’Antsihanaka izany.

Andry Andraina , Mitaraina ny tany , fizarana fahefatra , tak.254255 (tak.215 amin’ny boky taty aoriana )

Lahatsoratra 24 : TSY IREO IHANY Tsy ireo izay giazan’ny tady ihany akkoryu No antsoina ho tsy manana izay fahafahany, Fa isan’ireny ireo ory dia ory Tsy savela hahazo an’izay angatahany Tsy ireo izay ahiboka an-tranomaizina Ihany tsy akory no hoe very zo, F’ireo ‘zeay rehetra ambanan-kofaizina Tsy avela hizotra amin’ny safidim-po

Tsy nohelohina hatao sesitany Ihany tsy akory no hoe faraidiny F’ireo izay terena vozonana hatrany Handia izany làlana tsy nofidiny Tsy ireo izay voaelokoa ho faty rehetra No hany mijaly amin’izay niaretana, Fa isan’ireny ny atai amboletra Hampono ny feon’ny fieritreretana. Rado , Dinitra tak . 111 , 1969

Lahatsoratra 25 : NY FAHAFAHANA SY ANDRAIKITRA Ny fahafahana, noho izy miorim-paka ao amin’ny saina sy ny sitrapo, dia fahazoana manao na tsy manao, mamorona an’izao na izao, manankina amin’izany koa amin’ny alalan’ny tena ihany ny fanaovana ny asa amin’ ny nahim-po. Afaka mampiasa ny tenany ny tsirairay, amin’ny alalan’ny safidy malalaka. Ny fahafahana no herin’ny fitomboana sy fahamatorana ara-pahamarinana sy hatsaram-panahy, ao amin’ny olombelona. Mahatratra ny fahalavorariany ny fahafahana raha voalamina ao amin’Andriamanitra, hasambarantsika. Ny fahafahana, raha mbola tsy miompana tanteraka amin’ny hasoany farany, izay tsy iza fa Andriamanitra, dia mitarika fahazoana misafidy ny tsara sy ny ratsy, ka noho izany, na izy mitombo amin’ny fahalavorariana, na izy mihareraka sy manota. Izy no mampiseho mazava ny toetran’ny asan’olombelona. Izy no manjary loharano ipoiran’ny fiderana na ny faniniana, ny mahamendribalisoa na ny tsy mahamendri-balisoa. Arakaraka ny anaovan’ny olona ny tsara no mahatonga ho olona afaka. Tsy misy ny tena fahafahana tokoa raha tsy amin’ny fanaovana ny tsara sy ny marina. Ny misafidy hanao di-doha sy ratsy dia fanararaotam-pahafahana ary mitondra amin’ny “fanandevozan’ny fahotana”. Ny fahafahana no mahatonga ny olona ho tompon’andraikitra amin’izay ataony, arakaraka ny finiavany hanao izany. Ny fandrosoana amin’ny hatsaram-panahy, ny fahalalana ny tsara ary ny famolahan-tena no mampitombo ny fahaiza-mifehy ny sitrapo amin’izay ataon’ny tena. Ny mahadiso sy ny maha-tompon’andraikitra amin’ny atao dia mety hihena na ho foana noho ny tsy fahalalana, ny tsy fitandremana, ny fanerena, ny tahotra, ny fahazarana, ny firaiketam-pitia mihoa-pampana ary noho ny antony hafa ara-toe-tsaina na ara-piaraha-monina. Nalaina tao amin’ny Lakroan’i Madagasikara, 1988

Lahatsoratra 26 : Valala

1-Maninona foana àry ireto valala No mety ho voahidy sy mety ho voasarona Sady amin’izay toa tahaka ny adala Ka dia mifanipaka anatin’ny harona . 2-Mandraka ny efa tsy manan-kohanina No maizina antoandro ny lanitra manga Ka mbola miady tsy mahay mifandamina No samy mibeso ho mpahay diamanga .

3-Ny ambony amin’izany manindry ny ambany Ny adala milaza ho ambonin’ny Hendry . Ny mpisambo-balala mahita an’izany? Manasa vilany fa vonon-kanendy . 4-Koa dieny tsy mbola mafana ny menaka , Dieny tsy mbola voatango ny tongotra . Ô! ry valala ,tsarovy ireo lemaka Nidiranareo ka najifa sy fongotra .

5-Fa dia fahafirin’ireo ity sobiky No atao hampijaly sy hampifanipaka . Maninona anefa raha samy mikiky Dia loaka ity harona mampitampisaka .

RADO in Zo ( 14 Jolay 1982)

LOHAHEVITRA: «  NY TANINDRAZANA » Lahatsoratra 27 : NY TANINDRAZANA Olona tia tanindrazana ny olom-banona . Iza no tsy mahalala ny atao hoe ‘’Tanindrazana ‘’ary zovy no atoro azy indray ? Ny Tanindrazana ? Tsy inona fa itsy trano kely nahalatsahan’ny tavoninao itsy , iroa vohitra kely nonenan’I Dada sy iNeny hatrizay iroa , izatsy fasana mirakitra ny taolambalon’Ikakibe sy Inenibe izatsy , ity tany be midadasika anivon’ny riaka misy anao ity , voatentina tany mena mikatraka ,ijoroan’ny hazo maitso tsy manam-piofoana , tataovan’ny lanitra manga soa lalandava . Ny Tanindrazana dia ity tany tsy fointsika ity : onenana ela tsy mahalao , ilaozana kely dia mahamanina , tiantsika tahaka ny itiavan’ny hafa ny azy ,fa raha mandrobona ny any rehetra any mba mitarotaroka koa ny aty . Ny ombimanga no manimbolo miankandrefana, hanina an’I Bongolava niaviana , ny fon’olombelona koa no mametsovetso raha itenenan-Tanindrazana , hanina ny akany nahafoizana . Tsy ireo voalaza ireo ihany anefa no Tanindrazana , fa toa vata volafotsy mirakitra vatosoa sarobidy ireo , fa mbola be koa no voafaoka ao anatiny . Azo antsoina hoe koa Tanindrazana ny olona iray ra amin’ny tena , ny foko mitovy volon-koditra amin’ny tena , manan-toetra sy fomba iombonany amin’ny tena . Izany rehetra izany dia mbola atao hoe Tanindrazana. Koa i Madagasikara no Tanindrazan’ny Malagasy foko valo ambin’ny folo . Na dia samy hafa fiaviana aza izy ireo tany ambadik’I Manareza, efa vary zato naharon’ny sompitra ankehitriny ary mpianakavy naira-nigoka ny mamy sy nitelina ny mangidy , ka velona iray trano , maty iray fasana , miompana amin’ireo teny roa hoe ‘’ Firenena Malagasy ‘’ . Tsy tokony hosarahina amin’ny Tanindrazana koa ny tantarany sy ny teniny ary ny harena amambokatry ny taniny. Ny tantarany aloha fa ny tantara no boky volamena mitahiry ny fanaon’ny razambe velona fahizay sy ny hambonian’ny olomanga isan-karazany nipoiran’ny solofo taty afara. Manarakaraka izany, ny fiteniny, izay loharano tovozin-tsy ritra mampiboiboika ny fahendrena sy ny fihetseham-pon’ny razana fahagola . Farany , ny harena amam-bokatry ny taniny , izay tsy tokony hatao ambany maso tsy hita , fa ireny no zanak’omby fahavaratra sady lalao no harena , ireharehan’ny Nosy eo imason’izao tontolo izao : ny alabetsimisotr’i Betsimisaraka izany , ny omby bilon’i Sakalava

,ny karamatsakan’i Merina , ny varin’ Alaotra , ny arintanin’i Sakoa , ny landin’i Betsileo sy ny hafa maro tsy voatonona . Izany rehetra izany no Tanindrazana ka tsy maintsy ho fantatry ny ankizy raha vao vory saina izy , mba hitiavany azy bebe kokoa fa tsy misy tiana raha tsy fantatra . Tsy tokony handalana vola aman’anatra ny ankizy mba hitiavany tsar any Tanindrazany : hahaizany tsy misy tomika ny taniny , hahafantarany tomombana ny tantarany , hahalalany tanteraka ny toe-tsainy . Tsara ny mahalala ny momba ny tany hafa : fiteny , fomba , kanefa izay mikasika ny tany nametrahan’Andriamanitra ny tena no tokony ho hay tsara voalohany indrindra.

Régis RAJEMISA RAOLISON in Tononkalo sy lahatsoratra, tak.42-43

Lahatsoratra 28 : NY TANINDRAZANTSIKA Anaka, NyTanindrazantsika natolo-Janahary : Aoka hohamasinina !Fa ho vahoakasary Tsy hanan-kiafarana, sy ho mpirenireny Nyolonatsymananaizaymbafireneny NyTanindrazantsika, dinitry n y razana: Aokahohamboniana!Aza avela ho ngazana, Na atakalonyhafa.Fan’aizaeto an-tany No mbolahisyanao: ho Malagasy hatrany NyTanindrazantsika no fivelomanao: Aokahohasoavina! Rahalasaianaohandao,

Iza no antenainahamelo-masoindray? Ny an-kafahovolena, nyanao ho tany hay! NyTanindrazantsikalovan’ny Malagasy: Aoka ho tsimbinina! Sao angasiasy Hamantan-tanyfoanaireodimbysyireofara Rahahorotehnitsika I Madagasikara! NyTanindrazantsika: lovafatsyfidy! NyTanindrazantsika: tsytombanam-bidy! NyTanindrazantsika: tokana! tsyroa! I Gasikaraanaka, lolohavy an-tampon-doha!

I.P ANDRIAMANGATIANA, in Valiha lah .55, 1990

Lahatsoratra 29 : Ny tantara Izay miseho eo no ho eo

dia ny tantara no hanambara

izay manan-drariny amintsika ….Fa jereo ny lasantsika! “Fanoherana an-jamba ny tohitry ny menalamba, hasasaram-bery maina…” hoy ny mpakamamy aina. “maty novesarana eso ireo nijoro ho vi-vi-eso, fa nivarobarotra aina tsy mahandry ny maraina…” “Atody mankahatra vato, haza niditra ny harato sady tolona bontolo ny an’ny fito amby efa-polo….” Kanjo izao, Atrehoanao, ny TANTARA fa mitsara: “Ny lambanao ankehitriny dia notenomin’ny fahiny. Fa raha tsy nisy Menalamba, mbola aiza ianao, angamba? Raha tsy nisy Vi-Vi-Eso, ny lalam-bita hoe, refeso! Raha tsy nisy sandry tapaka, moa ianao ho olona afaka? Ny fahafahanao androany: Nisy maty ho an’izany”!

RADO , Dinitra tak . 119 (9.12.69)

Lahatsoratra 30 : Ny tany Tsy azo atao ambanin-javatra ny tany raha te-ho velona sy ho finaritra. Nahatsikaritra izany ireo razana, ka indro nifofotra namolaka ny tany, nitrandraka sy nanamaintimolaly azy. Izay tany mainty molaly dia azy sy lovan’ny taranany. Velona soa aman-tsara tamin’io tany io koa ny razana. Nahavita fonenana kanto. Nohajariny ho tanimboly sy tanimbary mahavokatra. Vory ny omby aman’ondry, akoho amam-borona. Nivadika izany dia tonga vola an-jatony sy an’arivony. Rehefa haintsika olombelona manko ny mifehy azy, dia tonga mpanompo mahafatrapo antsika olombelona ny tany. Tsy hoe mpanompo fotsiny aza fa reny mpamelona sy mpiahy. Reny mpamelona ny zanany avy amin’ny tenany ny tany. Ny fahavokarany dia antoky ny aintsika zanany. Tsy mitady zavatra abetsaka amintsika izy. Lelam-pangady no mba tadiaviny hamadibadika azy. Zezika sy rano no mba solon-tsakafony. Ary maimaim-poana ny rivotra sy ny rano, fa sao dia manahirana antsika zanany. Raha vatrantsika ny mikolokolo io tany io dia ho foana ho azy ny mosary, ary tsy ny mosary ihany, fa ny aretina sy ny fahantrana isankarazany. Hiadam-pinaritra ny vady aman-janaka. Hiadam-pinaritra hihinana ny vokatra mitobaka eny an-tsaha sy eny an-tanimbary. Hihinana izay laniny ny biby fiompy ary dia hatavy sy hanaranaka maro. Ho fianaritra ny tompony. Fa raha tsy mifofotra sy misasatra kosa izy, dia tsy hanan-kohanina. Aina mifamatotra ny tany sy ny olombelona. Noho izany, mila fanajariana sy fikolokoloana koa ny tany, toy ny fanao am in’ny vatantsika mba ho salama sy tomady. RAKOTOHOVA Clet : Ny Filozofia, ny Zo sy ny Saranga, tak. 84-85.

FICHE D’INTEGRATION SDSR N°1 (Santé, Droit Sexuel et Reproductif) Lohateny :

Fanambadiana aloha loatra (Mariage précoce) Tanjona ankapobeny: Aorian’ny fianarana ny amin’ity toko ity, ny mpianatra dia afaka : Mampitahany haren-tsaina Malagasy amin’ny an’ny firenen-kafa; Manaiky ny fahasamihafana eo amin’ny lafiny kolon-tsaina ary tsy manao izany ho sakana (ho azy) amin’ny fampivelarany ny tenany sy ny manodidina azy; Mitia sy mikolo ny harenan-tsaina Malagasy ary manaja ny an’ny hafa; Mandanjalanja ny fihetsiny amin’izay rehetra ataony sy amin’ny fifandraisany amin’ny manodidina; Mandrindra ny fahizana aman-pahalalana norantovina amin’ny soatoavina sy/na ny filan’ny fiarahamonina misy azy araka ny fivoaran’ny tantara.

Lohahevitra mampiaty : RIBA / NY FAHAFAHANA - Ny andraiktry ny tanora manoloana ny fandrosoana Tanjona manokana: Mpianatra afaka: -

Mahafantatra sy mitondra tena mifanaraka amin’ny lalàna n’ny fanambadiana aloha loatra eto Madagasacar Mahazo an-tsaina ny fahavoazana ara-pahasalamana sy ara-tsaina vokatry ny fanambadiana alohan’ny faha 18 taona Mahazo an-tsaina ny fahavoazana ara-toekarena sy ara-tsosialy ao an-tokatrano noho ny fanambadiana aloha loatra

Soatoavina ampitaina : -

Fanajana ny tena sy ny hafa Fandraisana andraikitra amin’ny tena sy amin’ny hafa

Fitondran-tena andrasana : -

Manohitra ny fanambadiana aloha loatra sy tsy manaiky izany Raha misy tery mahazo avy amin’ny RAR manery ny zanaka hanambady aloha loatra dia mitady fanampiana sy tohana amin’ny olona afaka hanampy hanohitra izany (mpampianatra, pasitera,….) Mampahafantatra ireo vokadratsin’ny fanambadiana aloha l oatra amin’ny namana, fianakaviana ary ny mpiara-monina Mahaleo tena amin’ny fiainana manokana Tompon’andraikita amin’ny safidiny, Sahy milaza ny heviny

Votoatiny izorana Fahalalana Fanazavana sy olana misy amin’ny fanambadiana aloha loatra: Ny “fanambadiana aloha loatra”dia fanambadiana eo amin’ny zatovolatsaky ny 18 taona, na vita fomba na tsy vita fomba, (UNICEF, 2016). Ny lalàna eto Madagasikara dia mndrara ny fanambadiana alohan’ny faha 18 taona. Na izany aza anefa dia, ny tahan’ny fanambadiana aloha loatra eto Madagasikara dia ambony indrindra maneran-tany. 41 % n’ny vehivavy manambady alohan’ny faha 18 taonany (CARE International, 2015). Lalàna mifehy ny fanambadiana aloha loatra eto Madagasikara Lalana mifehy N° 2007-022 du 20 août 2007 relative au mariage et aux régimes matrimoniaux. Art. 3. - L’âge matrimonial est fixé à 18 ans. Manoloana ny filohan’ny fitsarana ambaratonga voalohany no ilazan’ny olona latsaky ny 18 ny fanekeny hanambady ary misy fanomezan-dalana avy aminy vao tokony hekena ny fanambadiana (alohan’ny faha 18 taona). Antony ara-piarahamonina sy kolotsaina ary toe-karena Faneriterena ataon’ny RAR , « lova tsymifindra », Fomba amam-panao « Takalo », « tranovondro » Tombon-tsoa ara-toe-karena kendren’ny RAR Fizahan-tany mamoa-fady Fisarihana ratsy amin’ny olona litovy amiiny

Fahaiza-manao ampitomboina Mahafantatra ny lalana mifehy ny fanambadiana aloha loatra, ny antony sy ny voka-dratsiny eo amin’ny zatovo.

Fomba fiasa / paikady Approches/ strategies

Inona no antony sy ny vokatra ateraky ny fanambadiana aloha loatra eo amin’ny fiainampananahana sy ny fiainam-pitiavan’ny zatovo ?

Fitaovampasana/ tohampampianarana (support)

Tosa-kevitra sy adi-hevitra arahina fandravonana

Fanamarihana

Fahantran’ny RAR Fiantraikany : Mafy sy maharitra ny fiantraikan’ny fanambadiana aloha loatra. Ireo tovovavy manambady aloha loatra dia mety ho : Iharan’ny herisetra ataon’ny vadiny Mandao ny sekoly tsy fidiny mialoha ny iafaran’ny fianarany Maty eo am-piterahana Lasa mamany lava Maty tsy feno iray volana ny zaza Miaina fisarahana amin’ny fianakaviana, namana, sy ny asa fanao mahazatra ka misy fiantraikany amin’ny fahsalaman’ny saina sy toepo Tsy afaka mampivelatra ny fahaiza-manao hoenti-miasa ka mampihena ny fahafahany mitady vola hamelomany ny ankohonanby Mora andairan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST/SIDA) Fintina : Tsy amporisihina eto Madagasikara ny fanambadiana aloha loatra ary misy fiantraikany rats yeo ami’ireo zatovo latsaky ny 18 taona.Misy ny herisetra, ny fahafatesana, ny aretina sy ny fahasembanana aterak’izany. Amporisihina Ireo zatovo natosika na noterena hanambady aloha loatra mbahanontany ny hevitry ny namany, ny mpampianatra, ny fianakaviany, ny mpitondra fiaraha-monina ahafahana mijery ny olana mety hitranga mba hitadiavana fiovana

Mahay mamintina ireo hevi-dehibe tokony ho tadidy.

Ionona ireo tsara ho tadidy mikasika ny fanambadiana aloha loatra?

Fanontania arahim-baliny

FICHE D’INTEGRATION SDSR N°2 (Santé, Droit Sexuel et Reproductif) Lohateny :

Ny vohoka aloha loatra (Grossesse précoce) Tanjona ankapobeny: Aorian’ny fianarana ny amin’ity toko ity, ny mpianatra dia afaka : Mampitahany haren-tsaina Malagasy amin’ny an’ny firenen-kafa; Manaiky ny fahasamihafana eo amin’ny lafiny kolon-tsaina ary tsy manao izany ho sakana (ho azy) amin’ny fampivelarany ny tenany sy ny manodidina azy; Mitia sy mikolo ny harenan-tsaina malagasy ary manaja ny an’ny hafa; Mandanjalanja ny fihetsiny amin’izay rehetra ataony sy amin’ny fifandraisany amin’ny manodidina; Mahafantatra ireo karazana fomba fandridram-piterahana , ny tombontsoa sy ny vokadratsin’ireo karazany avy, ary mahalala ny tokony haleha hahazoany mahazo ny fomba fandrindrampiterahana

Lohahevitra mampiaty : RIBA / NY FANDROSOANA - Ny andraiktry ny tanora manoloana ny fandrosoana Tanjona manokana: Mpianatra afaka: Mahafehy tena mba tsy ho sakana sy ho vesatry ny fiaraha-monina. Soatoavina ampitaina : -

Fanajana ny tena sy ny hafa Fandraisana andraikitra amin’ny tena sy amin’ny hafa

Fitondran-tena andrasana : Mpianatra miaro-tena tsy ho tratran’ny vohoka tsy niriana / aloha loatra sy ny aretina azo avyamin’ny firaisana ara-nofo amin’ny fampiasana fomba fandrindram-piterahana tiany sy mifanaraka amin’ny toebatany.

Fomba fiasa / paikady

Votoatiny izorana Fahalalana

Fahaiza-manao hampitomboana

Approches/ strategies

Fitaovampasana/ tohampampianarana (support)

Fanazavana mikasika ny vohoka ny aloha loatra

Ny vohoka eo amin’ny zatovo latsaky ny 18 taona dia sokajiana ho “vohoka aloha loatra“foana noho io fetran-taona io napetraky ny lalàna ho tsy ahazoana miroso amin’ny fanambadiana sy ny mbola tsy fahavononan’ny taova amin’ny fitondrana vohoka. Eo anatrehan’izany hiditra anatin’ny fitondrana vohoka ny zatovo, na niriny io na tsy niriny. Midika izany fa tsy tokony hanao firaisana aranofo alohan’ny faha 18 taona ny zatovo indrindra fa mbola ao anatin’ny famitana ny fianarany ety anivon’ny lisea.

Fampiasana sary maneho ireo karazana fomba fandrindrampiterahana (fimailo,…)

Tokony hitandrina tsy hitondra vohoka ireo efa niroso tamin’ny firaisana ara-nofo. Ny tsy fanaovana firaisana ara-nofo dia anisan’ny fomba tsara indrindra hiarovana amin’ny vohoka tsy nirina sy ireo aretina azo avy amin’izany. Ny andraikitra tokony ho fantatry ny mpianatra Zon’ny mpianatra ny mahazo fahalalana ara-potoana mikasika ny fomba fiarovana ampiasaina amin’ny firaisana mba ho voaaro. Tokony hanantona ny tobim-pahasalamana mikarakara izany (Marie Stopes, PSI, cliniques, toeram-pivarotana fanafody et sy ny hopitaly) ny zatovo rahate hiroso amin’ny fampiasana ireo fitaovana fiarovana ara-pananahana. Fehiny sy teboka tsara ho tadidy Miaro amin’ny vohoka aloha loatra / tsy nirina ny tsy fanaovana firaisana

Mahafantatra sy afaka manoro ny hafa amin’ny

Inona no fiarovana tokony hatao

Fampiasana sary maneho ireo karazana

Fanamarihana

ara-nofosy ny fampiasana ny fiarovana (preservatifs) manaraka ny toromarika omen’ny tobim-pahasalamana. Indraindray mahatsiaro tena ho tsy mahazo aina raha mangataka amin’ny olona miaraka aminy mba hampiasa fimailo (préservatif) nefafandraisana andraikitra mampiseho fahamatorana izany mba ho fiarovana ny fahasalaman’ny andaniny sy ny ankilany.

Tokony haka torohevitra amin’ny mpitsabo, ny olontiany na ny fianakaviany ny zatovo amin’izay fomba fanabeazana aizana mety aminy indrindra fiarovana amin’ny vohoka aloha loatrta sy tsy nirina.

fitandremana tokony hatao hiarovana ny vohoka tsy nirina sy ny aratina azo avy amin’ny firaisanana aranofo.

mba tsy ho tratran’ny vohoka tsy niriana sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana aranofo ny zatovo ?

sy fomba fandrindrapiterahana

FICHE D’INTEGRATION SDSR N°3 (Santé, Droit Sexuel et Reproductif) Lohateny :

Ny Serasera (Communication) Tanjona ankapobeny : Aorian’ny fianarana ny amin’ity toko ity, ny mpianatra dia afaka : -

Mampitahany haren-tsaina Malagasy amin’ny an’ny firenen-kafa; Manaiky ny fahasamihafana eo amin’ny lafiny kolon-tsaina ary tsy manao izany ho sakana (ho azy) amin’ny fampivelarany ny tenany sy ny manodidina azy; Mitia sy mikolo ny harenan-tsaina Malagasy ary manaja ny an’ny hafa; Mandanjalanja ny fihetsiny amin’izay rehetra ataony sy amin’ny fifandraisany amin’ny manodidina; Mandrindra ny fahizana aman-pahalalana norantovina amin’ny soatoavina sy/na ny filan’ny fiarahamonina misy azy araka ny fivoaran’ny tantara.

Lohahevitra: RIBA : NY FANDROSOANA - Ny tanora sy ny fandrosoana Tanjona manokana: Mpianatra afaka : -

Manakatra ny rafi-pisainana Malagasy ny amin’ny fiheverany ny olombelona sy ny fifampitondrany Mampivelatra ny fahaiza-manao amin’ny fifandraisana mahomby, misokatra sady manaja ny manodidina azy indindra fa ny RAR.

Soatoavina ampitaina : -

Fanajana ny tena sy ny hafa Fandraisana andraikitra amin’ny tena sy amin’ny hafa

Fitondrantena andrasana : Mpianatra afaka : -

Mampita ny toe-pony, ny fanahiany ary ny heviny amin’ny fomba mazava Mamerina ny fifanakalozan-kevitra mahomby eo amin’ny zanaka sy ny RAR Mahay mihaino ny hevitry ny hafa (RAR,…) sy ny fanakianany

Vontoatiny izorana

Fahalalana

Endrika isehoan’ny fifandraisana sy ny famaritana: Maro ny endrika isehoan’ny fifandraisana fa tsindriana manokana amin’izany “fifanakalozan-kevitra eo amin’ny olona samy olona: zatovo sy ny RAR, zatovo sy ny olon-dehibe”mahakasika ny zavatra iainany. Ny tanjon’ny fifanakalozana eo zatovo sy ny RAR : Hampirindra ny endri-panabeazana rehetra ampitain’ny RAR sy ny zatovo Hampihena ireo sakana sy hantsana tsy mampirindra ny fiainan’ny zatovo amin’ny RAR Ny zava-misy iainan’ny zatovo sy ny RAR Olana fototra Tsy ampy ny fifampiresahana eo amin’ny RAR sy ny zanaka amin’ny fotoana maha sarop-ady ny fiainan’ny zatovo. Sarotra atoro ny ankizy RAR mihevitra fa tsy maintsy ekena teny ary tsy manan-jo hiteny ny ankizy Petra-kevitra (Hypothèse) : Tsy maintsy ampianarina « Communication » ny mpianatra

Fomba fiasana / paikady Fahaiza-manao hampitomboina Mpianatra mahatsapa ny maha zavadehibe ny fifanakalozankevitra amin’ny RAR

Approches/ strategies Mahadika ny hoe “Communication” ve ny hoe Fifandraisana ? Inona no atao hoe fifandraisana ? Inona no maha zavadehibe ny fifanakalozankevitra eo amin’ny RAR sy ny zatovo ? Inona no antony tsy mampisy na tsy mampahomby ny fifandraisana eo amin’ny RAR sy ny zatovo ?

Iza avy no afaka mifandray?

Fitaovampiasana/ tohampampianarana (support) Fanontaniana mivelatra

QCM (fomba hitarihana ny fifantohan’ny saina)

Asan-tsokajy ka valiana antaratasy arahina fifampizarana

Fanamarihana

Fandraisana anjaran’ny ankizy amin’ny famaritana. Fanitsiana ny famaritana diso tany aminy

Fomba fitondrana fifampiresahana (adihevitra) mba hahomby : Ho an’ny Zatovo : Mila manomana ny zavatra ho resahina Mahay mampiditra resaka mba hahatsapan’ny olona iresahana fa zava-dehibe no horesahina Tokony ho tony hatrany mandritra ny fifampiresahana hisoroana ny fahatapahan’ny fifampiresana raha misy misendaotra Fiheverana ny RAR ho olona “tsy manolo –bato mafana” fa mikatsaka ny soa hoan’ny zanany Fahaizana miala tsiny manoloana ny olona raha nisy fahadisoana Eo amin’ny RAR Misafidy toerana milamina tsy misy mpanelingelina ary Misafidy ny fotoana mahamety ny fifampireshana Fahaizana manaja sy mihaino ireo miresaka aminy Ho an’ny roa tonta : Mametraka marimaritra iraisana aorian’ny fifampiresahana (toetra, fitondran-tena,…) Manana fanetren-tena manoloana ny olona ifampiresahana fa tsy faly miaro tena Tokony hifantoka mandritra ny fifampiresahana

Mpianatra manome lanja ny fifanakalozakevitra ary mahay mikendry ny fotoana hametrahana izany. Mpianatra mahafehy ny teknikampifanakalozankevitra mahomby Mpianatra tia mifakalo hevitra

Inona avy ireo tetika ahafahana mampahomby ny fifampiresahana eo amin’ny ny RAR sy ny zatovo?

Sary mampiseho ny endrika fifandraisana eo amin’ny zatovo sy ny RAR 

Inona avy ireo fihetsika amam-pitondran-tena takiana eo amin’ny mpanabe sy ireo beazina?

Fampisafidianana toerana roa ahafahana mampizotra tsara ny fifampiresahana (efitra fandraisambahiny ve sa efitra fatorian’ny RAR sa efitra fatorian’ny zatovo)

Tsy voatery ny mpampianatra SVT ihany no afaka manabe arapananahana fa ny RAR koa dia manana andraikaitra amin’izany

Fehiny sy Hafatra mafonja : Sarotra ny mifampiresaka amin’ny olon-dehibe hoan’ny zatovo, nefa mety hahomby ny fifampiresahana rehefa atao am-panajana sy anaty fahalalahan-tsaina (fisokafana) mba hamahana olana.

Ny fifampiresahana dia atao amin’nyfotoana mahamety ty azy ary ary vantanina ny resaka. Ny fifampiresahana dia atao anaty fahatoniana. Tokony hanontany tena ny amin’ny fomba hahatsara ny fifampiresahana amin’ny ho avy. Tsy tokony hohadino mihitsy sy haverimberina ny fisaorana ny olona nifampiresahana (noho ny fanekena hihaino sy ny fahafoizany fotoana).

Rehefa amin’ny fotoana sy toe-javatra toa inona no tokony tsara atao ny fifanakalozan-kevitra ao amin’ny RARA sy ny zatovo?

Inona avy ireo tsara hotadidiana eo amin’ny fifampiresahana eoamin’ny zatovo sy ny Raiamandreny?

FICHE D’INTEGRATION SDSR N°4 (Santé, Droit Sexuel et Reproductif) Lohateny :

Fampakaran - teny / Angoty / Adisisika (plaidoyer) Tanjona ankapobeny : Aorian’ny fianarana ny amin’ity toko ity, ny mpianatra dia afaka : -

Mampitahany haren-tsaina Malagasy amin’ny an’ny firenen-kafa; Manaiky ny fahasamihafana eo amin’ny lafiny kolon-tsaina ary tsy manao izany ho sakana (ho azy) amin’ny fampivelarany ny tenany sy ny manodidina azy; Mitia sy mikolo ny harenan-tsaina Malagasy ary manaja ny an’ny hafa; Mandanjalanja ny fihetsiny amin’izay rehetra ataony sy amin’ny fifandraisany amin’ny manodidina; Mandrindra ny fahizana aman-pahalalana norantovina amin’ny soatoavina sy/na ny filan’ny fiaraha-monina misy azy araka ny fivoaran’ny tantara.

Lohahevitra mampiaty : RIBA : NY FANDROSOANA Ny tanora sy ny fandrosoana Tanjona manokana: Eo amin’ny maha olona, mpianatra afaka: -

Mahafantatra ny hoe mandaha-teny sy ny maha zava-dehibe azy hoenti-miaro ny zo sy ny fahasalaman’ny tanora. Mahafantatra ny tontolo politika sy sosisaly iainany

Eo amin’ny fahaiza-manao, mpianatra afaka: -

Mamaritra sy mamakafaka ny olana tena manimba ny fiainan’ny zatovo Mitanisa ireo dingana rahina amin’ny fandaharan-teny Manomboka ireo asa fandaharan-teny amin’ny alalan’ny rijan-kevitra mahomby mifototra amin’ny zavatra misy porofo Mifanakalo hevitra amin’ny olon-dehibe

Fahaiza-miaina, mpianatra afaka : -

Mifampiresaka amikasika ny SDSR amin’ny Ray sy Reny Mizara fahalalana mikasika ny SDSR amin’ny mpiaraha-monina Maneho ohatra amin’ny tanora rehetra.

Soatoavina ampitaina : -

Fanajana ny tena sy ny hafa Fandraisana andraikitra amin’ny tena sy amin’ny hafa

Fitondran-tena andrasana : Mpianatra  : -

Mizara fahalalana mikasika ny SDSR amin’ireo mitovy aminy Miresaka amin’ny fianakaviana ny zavatra nianarany sy ny heviny mikasika ny SDSR eto Madagaskara Mandaha-teny hoamin’ny : Fahazoam-baovao, fiahiana ara-pananahana, fandrindraham-piterahana sy ny fitiliana ny IST, fanabeazana ny maha olom-mendrika, Fahaleovantenan’ny vehivy sy ny tovovavy, ny lehilah sy ny tovolahy

- Fahafahana hisafidy manoloana ny fanambadiana: fotoana sy ny hovadiana, sazy famaizana hoan’ireo manao hetraketraka aranofo (agresseurs sexuels)

Votoatiny Fahalalana

Fahaiza-manao hampitomboina

Ny ADI-SISIKA (plaidoyer) Fomba entina mamantatra ny olana misy ao anaty fianakaviana, firaisa-monina, na ao anaty faritra ka itakiana fanovana ny “plaidoyer”. Kendrena amin’izany ny lalàna, ny politika na ny fanao mba hisy fiantraikany tsara amin’y olona iray na amin’ny fiainampiarahamonina.

Mpianatra :

Hisarihana ny hafa mba hahazoana ny fanohanany na ny fanodinana ny hevitry ny lalàna mifandraika amin’izany Karazana dingana amin’ny “ADI-SISIKA” (plaidoyer) Famantarana ny lohahevitra na ny olana hovahana Fandraiketana ny tanjona Famaritana mazava ny olona na rafitra hiantefan’ny angoty Fandrafetana mazava ny hafatra Famaritana mazava ny fomba entina mampita ny hafatra Fanetsiketsehana ireo izay afaka manohana Fikarohana vola entina miasa amin’ny angoty  Fandrafetana drafitr’asa sy ny fomba fanatanterahana izany Tetik’ady entina ampiasaina amin’ny fifandraisana Fanangonana ireo atotan-kevitra/atontanisa Fanjohina sy fanombanana Tsara ho tadidy:

Fitaovampasana/ tohampampianarana (support)

Fanamarihana

Fanontaniana arahim-baliny

Ireo antony mety ilana ny fanaovana “ADI-SISISKA” (plaidoyer) Hiarovana ny tiana angatahina;

Fomba fiasa / paikady Approches/ strategies

Mahalala ny famaritana ny atao hoe plaidoyer sy mampihatra azy hoentina mamaha olana iray.

Inona no fomba tsara entina mamaha olana eo anivon’ny fiaraha-monina mba hampisy fandraisana andraikitra eo amin’ny sehatra voakasika izany?

Olona manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatra misy azy no tokony iantefan’ny Angoty

Zatovo azo antoka no ampitondraina ny hafa-piangotiana

Mampiatrika olana karazany roa hoan’ny zatovo dia Ny SDSR. Tsy maintsy manentana ny fiarahamonina sy ny olona henointenyhanampy azy amin’ny hetsika ataony ny zatovo. Tsy maintsy mandresy lahatra ireo tanora namany ny maha zavadehibe ny fiarovana ny fahasalamany izy. Mpandray anjara tsy afaka ialana amin’ny fiarovana ny zony ny zatovo ka izany no idirany an-tsehatra amin’ny asa fiangotiana. Mba handraisan’ ireo mpanapa-kevitra an-tanana sy hahitany fahombiazana ny antom-piangotiana dia tsy maintsy arafitra tsara ireo hafatra hampitaina entin’ny olona azony antoka.

FICHE D’INTEGRATION SDSR N°5 (Santé, Droit Sexuel et Reproductif) Lohateny :

Herisetra ara-nofo Tanjona ankapobeny: Aorian’ny fianarana ny amin’ity toko ity, ny mpianatra dia afaka :     

Mampitahany haren-tsaina malagasy amin’ny an’ny haren-tsain’ny firenen-kafa; Manaiky ny fahasamihafana eo amin’ny lafiny kolon-tsaina (isam-paritra sy isam-poko) ary tsy manao izany ho sakana (ho azy) amin’ny fampivelarany ny tenany sy ny manodidina azy; Mitia sy mikolo ny harenan-tsaina malagasy ary manaja ny an’ny hafa; Mandanjalanja ny fihetsiny amin’izay rehetra ataony sy amin’ny fifandraisany amin’ny manodidina; Mandrindra ny fahaizana aman-pahalalana norantovina amin’ny soatoavina sy/na ny filan’ny fiarahamonina misy azy araka ny fivoaran’ny tantara.

Lohahevitra: NY FAHAFAHANA Ny fetran’ny fahafahana, Tanjona manokana: Mpianatra afaka :       

Mamaritra sy mamantatra ireo karazana herisetra ara-nofo Mahafehy tena : tsy manao herisetra ara-nofo Mahalala ny fiatraikan’ny terisetra ara-nofo sy ny fomba fandraisanana an-tanana ny olona niharan’izany Mahazo an-tsaina fa mila fanohanana ara-pahasalamana sy ara-tsaina ny olona niharan’ny herisetra ara-nofo ka tsy tokony hoambaniana na hotsiniana. Mampivelatra ny toe-tsaina mifanohana ifandrombonana Manampy tosika ny fianarana amin’ny alalan’ny fanabeazana momba ny fiainana sy ny fitiavana Mampihatra ny fahaiza-manao izay nirina eo anatrehan’ny herisetra ara-nofo

Fitondran-tena andrasana :        

Mpianatra  afatra : Miaro ireo fikasihana tsy nisy fanekena Mampiseho firaisam-po sy saina amin’ny olona niharan’ny herisetra ara-nofo Tsy mampiasa tsindry na amin’iza na amin’iza mba hisiana firaisana ara-nofo Mihevitra ny vehivy sy ny tovovavy ho toy ny olona feno mitovy ami’ny olona rehetra Mano taitra amin’ny hafa sy mitady fanampiana Manohana ireo niharan’ny teisetra ara-nofo amin’ny fampaherezana azy sy ny fifampiresahana aminy raha irian’izy ireo izany Mampiseho heripo hitory ny terisetra sy ny fihetsika mirona amin’izany : ivo-toerana, manampahefana mahefa…

Vontoatiny izorana Fahalalana

Fahaiza-manao hampitomboina

Fomba fiasa / paikady Approches/ strategies

Fitaovampasana/ tohampampianarana (support)

Fanamarihana

Ny herisetra ara-nofo : Firaisana ara-nofo an-tery na dia amin’ny olon-tiana aza izay ahitana : Herim-batana (mitazona, mandrahona amin’ny alalan’ny fitaovampiadiana,…) Fampitahorana (ara-tsaina, takalo na fandrahonana ara-pitiavana) Ohatra : « Hisarahako ianao raha tsy mety miray ara-nofo amiko » na « Tsy misondrotra kilasy ianao raha tsy miara-mandry amiko »

Mahafantatra ny fomba fisehon’ny herisetra ara-nofo ary manohitra izany

Fanontaniana : Inona no manavaka ny herisetra aranofo sy ny herisetra hafa ?

Mahatsapa ny olana iainan’ny olona

Inona no mety ho olana

Fangatahana firaisana tsy an-tsitra-po, toy ny fandodosana (harcellement) ohatra : tsapatsapa sy fikasihana tsy sitraka, mahery arahim-pilana ara-nofo atao amin’ny olona eny an-dalambe, fitanjahana manoloana olona iray Herisetra ara-nofo atao amin’ny olona tsy salma saina na sembana Ireo fihetsika mampiseho filana ara-nofo amin’ireo zaza latsaky ny 18 taona Ireo fanao nentin-drazana izay mandika lalàna sy tsy araka ny fanirian’ny olona iharany, tahaka ny fanambadiana an-tery. Ireo firaisana ara-nofo natao amin’ny olona tsy tompon’ny tenany (olona mamo, mifoka zava-mahadomelina) Fanambadian’ny mpiray ra. Ireo zavatra iainan’ny olona niharan’ny herisetra ara-nofo : Ambanian’ny fiarahamonina matetika ny olona niharam-

Adihevitra malalaka. arahina fandravonana

Ferana ny fotoana hanaovana ny adihevitra (10 mn)

pahavoazana. Maro amin’izy ireo no miaina ao anaty henatra sy fandatsana tena mandritra ny taona maro tao aorian’ny fahavoazany. Fiantraikany amin’ny fahasalamana : Mahery vaika ary mety maharitra mandritra ny andro-piainana ny fiantraikan’ny herisetra ara-nofo. Ao anatin’izany ny : Vatana : Vohoka tsy nirina Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo Toe-batana (aretina) mamany lava Fikorotanan’ny tsiry mpanentana Fahafatesana vokatry ny famonoan-tena sy fanalan-jaza SIDA Fahasarotan’ny fitondrana vohoka

niharan’ny herisetra ara-nofo

Saina sy toe-po: Fahakivina Fanahiana Tsy fahitana tory amin’ny alina Nofy ratsy Tamberin-tadidy manelingelina saina Fanaintainana tsy hita hohazavaina Tahotra sy horohoro Fitiavana hamono tena

iainan’ny olona ka ilany fanampiana avy amin’ny hafa? Inona avy no mety ho fiantraikan’ny herisetra aranofo amin’ny maha olombelona?

Tosa-kevitra

Fitondrantena : Mety ho lasa mpanolana ara-nofoireo ankizilahy niharan’izany fony izy mbola zazarehefa lehibe. - Metymbola hiharan’ny herisetra ara-nofo hatranyIreo vehivavy efa niharan’izany. - Lasa mivarilavo amin’ny fisotroan-toaka sy fandraisana zavamahadomelina ireo niharan’ny herisetra ara-nofo - Tsy mahay mitia intsony ireo zaza niharan’ny herisetra ara-nofo Ireo lalàna mifehymikasika ny herisetra ara-nofo (jereo ny tahirin-kevitra) Ireo sampan-draharaha misy hon’ireo niharam-pahavoazana

Mahafantra ireo lalàna misy

Zaraina lalàna (boky)

Mahafantatra ireo sampan-draharaha

Fanazavana

Famakiana ny tahirin-kevitra

Ferana ny fotoana hanaovana ny adihevitra (5 mn)

laharana maitso : 147 et 511 Azo antsoina maimaim-poana ireo laharana maitso ireo mandritra ny 24/24 ora mba hitarainana amin’ny fahavoazana Centre d’Ecoute et du Conseil Juridique ou TranoAroZo (tohanan’ny UNDP et UNFPA) Centre Vonjy (Appuyé par UNICEF) :

mikarakara manokana ireo niharampahavoazana

Localisation : Antananarivo, Maternité de Befelatanana ; Toamasina, Hopitaly Be; Majunga, HopitalyAndrovaPZaGa ; Nosy-Be, Hopitaly Be Andavakotoko; Toliara, Toro-marika manolona ireo fanararaotana ara-nofo Tokony ho tohanana ara-tsaina ireo niharan’ny fanararaotana aranofo fa tsy dia ilaina loatra ny fanadihadiana mikasika ny fisehoanjavatra nihatra taminy mba tsy hahatonga azy ho menatra na ho afabaraka. Aseho aminy fa vonona ny hanampy azy amin’ny fanaovana fitarainana rehefa vonona amin’izany izy. Fintina sy hafatra  : Tsy fahadisoan’ny olona niharan’ny herisetra ara-nofo mihitsy ny nanjo azy Tsy antony hanaovana herisetra ara-nofony fitafiana, ny taona, ny fitondrantena, ny fifandraisana na ny zava-mahadomelina na antony hafa, … Hajaiina foana ny zo sy ny safidin’ny olona fa tsy tokony hanaovana fanararaotana azy. Maro ireo fahaoazana vokatry ny fanararaotana ara-nofo : arabatana, ara-tsaina, ara-pitondran-tena izay mety haharitra antaonany maro

Mahafantatra ny andraikitra miandry azy manoloana ireo herisetra ara-nofo

Inona no tokony ho tadidiana manoloana ireo endrika isehoan’ny herisetra aranofo?

Tokony hitory ny olona niharan’ny herisetra ara-nofo ary hilaza izany amin’ny fianakaviany (na ny mpampianatra). Tokony hifanampy amin’ny alalan’ny toro-hevitra ny mpinamana amin’ny fotoana ilana izany fa tsy hifampitsara. Tsy tokony hiady irery ireo olona niharam-pahavoazana fa mangataka fanampiana amin’ny hafa.

Related Documents

Tari-dalana Malagasy
February 2021 0

More Documents from "radina"

Tari-dalana Malagasy
February 2021 0